filoha lefitra faha-7 ao amin’ny Antenimierampirenena. Nilaza mazava fa tsy marin-toerana sy tsy misy vola intsony ny fitondrana ankehitriny. “Tena misy ny ady an-trano ao anatin’ny fitondrana,” hoy izy. “Mety ho taitra ianareo itenenako an’ity, fa ny rehetra ao anaty fitondrana dia mahatsapa io olana ngeza indrindra misy eto amin’ny firenena izay hafenina, ary fantatr’izy ireo fa tsy maintsy hipoaka io indray andro any.” Araka ny nambarany, tsy misy vola intsony ny fitondrana tarihin’i Andry Rajoelina, ka izay no antony anaovany fihetsiketsehana sy fanapahan-kevitra miiba sy miankavia, tsy misy fahamatorana. Nilaza ihany koa i Siteny fa fantatry ny mpanohana an’i Rajoelina fa efa tsy manana ho avy politika intsony ity farany. “Izany no mahatonga ireo teo anaty sambo hiala tsikelikely, mitady làlana politika vaovao haleha.”
SOSOTRA NY ANKAMAROAN’NY DEPIOTE…
“Na tiana na tsy tiana, afaka miteny avokoa ny solombavambahoaka, na avy amin’ny mpanohana fitondrana na avy amin’ny fanoherana. Amin’izao fotoana izao dia tsapan’izy ireo fa tsy ao intsony ny fitondrana,” hoy hatrany izy. Nanampy izy fa na ny karaman’ny mpanolotsaina, na ny fividianana fiara, izay alaina amin’ny karaman’ny depiote aza, dia ahitana porofo mazava fa tsy misy vola intsony. “Mahatsapa ireo rehetra ao anaty fitondrana fa hidofotra izao toe-draharaha izao, ka dia samy manomana sahady ny ho avin’ny politikan’izy ireo. Ary minoa ahy, hisy savorovoro ato ho ato eny amin’ireo mpanohana ny fitondrana.”, hoy i Siteny Randrianasoloniaiko. Nilaza mazava ny depiote fa raha tsy noho ny FEC-FRD avy amin’ny FMI, ny fanampiana ara-bola avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena sy ny BAD, dia efa tsy voaloa intsony ny karaman’ny mpiasam-panjakana, vatsim-pianarana, ary karaman’ny assistants parlementaires, izay efa 10 volana tsy voaloa amin’izao fotoana izao. “Tsy Rajoelina intsony no mitantana ny toekarena. Ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena no mametraka ny baiko sy ny fepetra amin’ny governemanta,” hoy izy. Nanondro mazava i Siteny fa nataon’ny fitondrana “forcing” ny fanatanterahana ny tetikasa Base Tuléar, na dia efa fantatra aza fa manimba faritra arovana, baobab tsy fahita firy, ary miteraka loza amin’ny tontolo iainana sy ny fahasalamam-bahoaka noho ny radioactivité. “May be amin’ilay 180 millions de dollars andrasan’ny fanjakana amin’ny Energy Fuels i Rajoelina,” hoy izy, “ary matahotra mafy ny mety fiantraikan’ny fiverenan’ny AGOA sy ny Millennium Challenge avy amin’ny Amerikana.”
VAHAOLANA FA TSY SERASERA NO ILAINA !
Nohitsiny ihany koa ny olana amin’ny delestazy sy ny tetikasa "groupes 105 MW". “Tsy serasera no mamelona ny jiro. Tsy azo entina anaty propagandy lava izao ny herinaratra, satria sehatra iorenana sy iankinan’ny aina sy ny toekarena izany.” Notsiahiviny fa efa 8 volana izay no nampanantenana fa ho tonga ireo fitaovana, nefa mbola any Toamasina ihany. “Mazava ho azy fa hatao olana indray izao ny fitondrana ireo gropy noho ny tetezana. Raha tena vonona sy matotra, dia efa fantatra mialoha ny olana, ary efa nomanina ny vahaolana.” Anisan’ny nitsikerany ihany koa ny fanovana tampoka ny “statut juridique” an’ny Jirama ho Société Anonyme, izay nolazaina fa natao ho amin’ny fanatsarana, kanefa tena fepetra napetraky ny mpamatsy vola izany.
Toky R
Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.
Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :
Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra
Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona
Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana
Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira