airtel

Actualités

05-juin-2026

Mamitiana Rajaonarison

Praiminisitra faha-31 hatramin’ny andron’i Ranavalona

Sample post image

Voalohany Miisa 31 hatreto ireo Malagasy

05-juin-2026

notendrena hiantsoroka ny asan'ny Praiminisitra teto Madagasikara tao anatin'ny taonjato roa, 198 taona no marimarina kokoa, teo anelanelan'ny taona 1828 mandraka ankehitriny. Faha-31 amin'ireo Rajaonarison Mamitiana Jeannot Ruffin, Praiminisitra amperin'asa, notendrena tamin'ny 15 martsa 2026. Enina ireo Praiminisitra nifandimby nandritra ny vanim-potoana faha-Mpanjaka ka Andriamihaja kosa no Praiminisitra voalohany (1828-1833) tamin'ny andron'ny mpanjakavavy Ranavalona I. Ny jeneraly Désiré Rakotoarijaona no naharitra ela indrindra teo amin'io toeran'ny Praiminisitra io. Zandary izy, teo anelanelan'ny 1 Aogositra 1977 ka hatramin'ny 12 febroary 1988 izy no niantsoroka io andraikitra maha Praiminisitra lehiben'ny governemanta io, izany hoe naharitra 10 taona sy 6 volana ary 11 andro. Rtoa Cécile Manorohanta kosa no hany vehivavy teo amin'io toerana io, ary fohy fitondrana indrindra satria roa andro monja, 18 desambra 2009-20 desambra 2009, tao anatin'ny fotoana nampisafotofoto be ihany ny toe-draharaham-pirenena tamin'ny tetezamita TGV. Miisa valo ireo manamboninahitra zandary sy miaramila efa nitana io andraikitra io hatramin'ny nahazoana ny fahaleovantena dia ny jeneraly Gabriel Ramanantsoa (1972–1975), Jeneraly Désiré Rakotoarijaona (1 Aogositra 1977-12 Febroary 1988), Kolonely Victor Ramahatra (12 febroary 1988-8 Aogositra 1991), Jeneraly Charles Rabemananjara (20 janoary 2007 - 17 martsa 2009), Jeneraly Albert-Camille Vital (20 desambra 2009-2 novambra 2011), Jeneraly Jean Ravelonarivo (14 janoary 2015 -8 aprily 2016), Jeneraly Ruphin Zafisambo (6 oktobra 2025 - 20 oktobra 2025) ary ny Praiminisitra amperin'asa Mamitiana Rajaonarison izay manamboninahitra teo anivon'ny Zandarimaria no niofana teny amin'ny Sekolim-pirenena manofana ho mpiasam-panjakana ambony ENAM. Eny Mahazoarivo no toeram-piasan'ny Praiminisitra ankehitriny raha teny Andafiavaratra izany tany ampiandohana.
Jean D.
Mamitiana Rajaonarison, Praiminisitra faharoa ao anatin'ny fitondrana Fanavaozana
 

Dans la même rubrique

17-juil-2026

125 Miliara Ariary eo hatreto ny kaonty nogiazana

Card image cap
17-juil-2026

Miara-miasa amin’ny rafitra iraisampirenena ny ARAI

Card image cap
17-juil-2026

Vao nanomboka dia nangotraka ny delestazy...

Card image cap
17-juil-2026

Misy mibodo ny tanin'ireo mponina

Card image cap
17-juil-2026

marika World Cola ny mpanankato Denise.

Card image cap
17-juil-2026

mampanahy raha tsy miara-mientana isika»

Card image cap