kolonely Michaël Randrianirina, hisolo tena an'i Madagasikara i amin'ny raharaha fanenjehana ny mpandraharaha Maminiaina Ravatomanga i Ernaivo Fanirisoa izay mpahay lalàna, mpitsara teo aloha, mpanao politika. Nisy ny taratasy fampahafantarana miantefa amin’ny Lehiben’ny Financial Crimes Commission na FCC rafitra manenjika ny raharaha heloka ara-bola atsy amin’ny Nosy Maurice. Iraka ao anatin’izany ny fanadihadiana sy ny fijerena ny raharaha mikasika : kolikoly avo lenta, tsikombakomba mikasika fanodinkodinana volam-bahoaka, hosoka ara-ketra sy ara-bola, fitomboan-kerana amin’ny fomba maloto, famotsiam-bola eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Io mpandraharaha io izay voalaza fa anaovan’ny FCC sy ny MRA (Mauritius Revenue Auhtority) fanadihadiana. Ireo zava-misy ireo dia mikasika indrindra ireo antontan-taratasy lehibe maromaro izay eo am-pelatanan'ny manampahefana malagasy ankehitriny, ka anisan'izany ny: ny antontan-taratasy GEL-Filière Letchi, izay misy ifandraisany amin'ny Transparency International Madagascar ; ny antontan-taratasy "Boeing 777 Iraniens", mikasika ny fikorianan'ny vola manjavozavo sy ny fifindran'ny fiaramanidina tamin'ny fomba tsy ara-dalàna ; ny antontan-taratasy JIRAMA, momba ny fifanarahana hosoka sy ny fanodinkodinana vola fanjakana, hoy io taratasim-panjakana io. Nambara fa i Mamy RAVATOMANGA, dia efa voampanga sy karohina mafy, dia voalaza fa nandao an-tsokosoko ny tanin’ny Repoblika Malagasy, ka mikendry ny hilefa amin’ny fitsarana malagasy. Ny tsy fahitana azy eto an-toerana sy ny fandraisany anjara amin’ny tambajotra ara-bola iraisam-pirenena dia tsy manome antoka intsony ny fahafahany miatrika ny manampahefana tompon’andraikitra. Noho izany, mangataka fanohanana sy fiaraha-miasa amin’ny FCC (Maorisy) sy amin’ireo manampahefana vahiny, indrindra amin’ny Financial Intelligence Unit (Maorisy) ny Fanjakana Malagasy mba: hahafahana mamantatra sy mangeja ny fananany ara-bola sy fananany hafa an’i M. RAVATOMANGA sy ireo orinasa mifandray aminy ; hahazoana vaovao rehetra momba ny kaonty sy ny raharaham-bola iraisam-pirenena ataony ; hanombohana ireo dingana ilaina amin’ny fiaraha-miasa ara-pitsarana sy iraisam-pirenena, araka ny fifanarahana iraisam-pirenena sy ny fenitra napetraky ny GAFI, ho an’i Maminiaina RAVATOMANGA sy ireo namany voamarina. I Fanirisoa ERNAIVO no manampahefana solontena, miantsoroka ny fifandraisana ofisialy ary fandrindrana amin’ireo rafitra ara-bola, ara-pitsarana ary ara-diplomatika voakasika, amin’ny fanajana tanteraka ny tombontsoan’ny Repoblika Malagasy sy ny fitsipika momba ny mangarahara sy ny andraikitra amin’ny vahoaka, hoy io serasera io.
Toky R
Mitady hivadika fitsaram-bahoaka
Mazava tsara ny resaky ny minisitry ny