airtel

Actualités

10-juin-2026

Manizingizina ny Minisitry

ny Fitsarana sy ny PAC

Sample post image

Tsy maintsy giazana ny SODIAT noho ny kolikoly maro !"

10-juin-2026

Solombavambahoaka ve ny Lehiben'ny mpanohitra mandrakizay sa solombavan'ny Vondrona Sodiat fa raha ny fanontaniana napetrany dia tsy mahasolo vava ny vahoaka fa fanontaniana tokony hapetraky ny mpisolovava", hoy ny valy bontan'ny Minisitry ny Fitsarana manoloana ny fanontanian'ny Filoha lefitra avy amin'ny mpanohitra ao amin'ny Antenimierampirenena Milavonjy Philobert izay nanontany ny antony nametrahana an’i Serge Imbeh Jovial ho « administrateur judiciaire hitantana ny Vondrona Sodiat. Nanazava ny Minisitra na izany aza fa fanao izany rehefa misy raharaha hanadihadihan'ny Fitsarana ny tompony sy ny Vondrona Sodiat izay voarohirohy amin'ny: famatsiam-bola azo avy amin'ny fanodinkodinana, « trafic d'influence », « favoritisme », kolikoly, hosoka ara-ketra, tombotsoa tamin’ny fanararaotam-pahefana, fisandohana andraikitra,... izay voafaritra ao anatin'ny hoe: « capture d'Etat". Nanao ny ampihimamba tamin'ny toekarena rehetra teto Madagasikara i Mamy Ravatomanga, ka lojika raha nanana orinasa be dia be izay iharan'ny fanadihadian'ny Fitsarana, ary tsy maintsy jerena hoe tena nandoha hetra ve, ara-dalàna ve ny fakana ekôlazy nampandoaviny ireo olona nakany vola, tena ara-dalàna ve ny nanangany "sociétés écrans" manerana izao tontolo izao ka anisany ao Maurice? hoy ny Minisitry ny Fitsarana. Nambarany fa miteraka fitohanan'ny fikirakirana ny orinasa satria voatazona am-ponja any Maurice rahateo ny Lehiben'ny orinasa. Nisy fotoana ireo orinasa izay tantanan'io olona io dia sahirana amin'ny fandoavam-bola tsy voaloa ny karama satria nogiazan'ny Fitsarana ary tsy maintsy nogiazana ny vola izay ahiana ho famatsiam-bola, misy ahiahy sao misy fanodinkodinana indray koa ny vola miditra ao, ka tsy maintsy hanendren'ny Fitsarana "administrateur judiciaire" izay ny PAC (Agence de Recouvrement des Avoirs Illicites) sy ny ARAI no manendry, hoy ny fanazavana. Nanamarika moa io Minisitra io fa efa fanao izao fa ka isan'ny nanaovana izany ohatra ny Hotely Villa Verte eny Ambatomirahavavy RN1 an'ny depiote efa nodimandry Rasolonjatovo Honoré na Papasolo noho ny fisiana olana mitovitovy amin'izao noho ny fanadihadiana ara-pitsarana mikasika ny nahafatesany ka anisan'ny fepetra ny fanagiazana ilay toerana.

OLONA 3 NO MIANDRAIKITRA NY FITANTANANA
Nanampy fanazana ny Tonia mpampanoa lalàna ambony eo anivon’ny PAC Antananarivo Atoa Velo Bendrainy. Iarahana mahalala ny fanenjehana an’i Mamy Ravatomanga sy ny namany. Efa misy raharaha mandeha 2 mandeha, ary misy maro hafa hanaovana fanadihadiana. Arakany didy hitsivolana 2019-015 mikasika ny famerenana amin’ny Fanjakana ny harena azo tamin’ny tsy ara-dalàna, hoy ny fanazavana, dia noraisina ny fepetra ho fiarovana ny tombotsoan’ny Fanjakana, indrindra ny fanagiazana ny fananan’ireo ahiana ho nanao famotsiam-bola. Ny ARAI no miandraikitra ny fikarakarana sy ny fitantanana ny fananana nogiazana. Nisy araka izany ny fanagiazana fananana maromaro sy kaonty sy fananana maromaro anatin’ny SODIAT sy izay mifandray akaiky aminy. Ho fitohizan’ny fohodinan’ny orinasa sy ny tombotsoan’ny mpiasa, dia nangataka ny hanendrena mpitantana vonjimaika ny ARAI, ka olona 3 no voatendry amin’izany, tsy maintsy manao tatitra ara-potoana amin’ny ARAI sy ny PAC. Tsy afaka mandray fanapahan-kevitra mety hitarika fihenam-bidin’ireo fananana.

ADY AMIN’NY TSIMATIMANOTA FA TSY FANENJEHANA POLITIKA
Nanamafy moa ity Minisitra ity fa tsy fanenjehana mpanohitra no atao fa fanenjehana ny tsimatimanota. Rehefa manao heloka na mikasa hanao heloka dia tsy maintsy henjehin'ny Fitsarana. Betsaka ny fanodinkodinana volam-panjakana teto, toy ny fividianana dabilio efa nahatratra 2 tapitrisa euro kanefa tsy hita akory ny dabilio, tsy hita hoe nankaiza ny vola, tena nampiasaina ara kanefa ilay Minisitra milaza fa mila dabilio, miantso fanohanana,... Ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha Sahondrarimalala Marie Michel no tiany horesahana ? Nilaza ihany koa ity Minisitra ity fa misy olona mitazona fitaovam-piadiana mahery vaika izay tsy mifanaraka amin'ny lalàna, ka tsy maintsy iharan'ny fanadihadiana sy fanenjehana raha tratra.
Toky R
 

Dans la même rubrique

11-juin-2026

tsy ampiharina araka ny tokony ho izy ny lalàna!»

Card image cap
11-juin-2026

dia mijanona eny ifotony!»

Card image cap
11-juin-2026

Tena mañana ny toerany sy ny

Card image cap
11-juin-2026

tsy afaka manafatra intsony ny ASPROMA

Card image cap
11-juin-2026

Sefo Fokontany, ny tanàna nirehitra

Card image cap
10-juin-2026

Tena ara-dalàna! Ny tsaho no

Card image cap