saika manerana ny Nosy. Tsy mikely aina mamboly sy mamokatra na mety anatin’ny teknika mbola tsy manara-penitra aza, mandany fotoana, mandany vola,… kanefa tsy arakarak’izany ny tamberiny. Any amin’ny Kaominina Marolonaky anatin’ny distrikan’i Toliara II ohatra, zara raha 1000Ariary monja ny vidin’ny voatabia eran’ny sô amin’ireny 5 litatra ireny. Mbola tsy misy mpividy aza izany, fa mirentirenty eny amoron’arabe fotsiny. Misy anefa faritra sasany, eny fa na eto an-dRenivohitra aza misy tafakatra 500Ar ny iray. Ny zavatra tahaka ireny no ilàna ny fametrahana sehatra matihanina amin’ny fanonganana sy ny fanodinana ny vokatra satria miteraka fahakiviana sy fatiantoka goavana ho an’ny tantsaha mpamokatra. Sokajiana ho tany karakaraina ny ankamaroan’ny tapany atsimo, saingy ny tranga tahaka ity, dia maneho fa tena azo atao tsara ny mamokatra. Misy ny toerana mamokatra fa tsy miparitaka ny vokatra, mitoka-monina, zara raha misy mividy kanefa tsy lanin’ny fanjifana eo an-toerana,…
Toky R
Misy ny fiomanan’ny kolonely Michaël Randrianirina