airtel

Actualités

10-juin-2026

Minisitra ny Fitsarana

tany am-ponja

Sample post image

Tena ara-dalàna! Ny tsaho no

10-juin-2026

tena manitsakitsaka ny zon'ny voafonja !"
Adihevitra diso ny filazana fa tsy manara-dalàna ny Minisitra ny Fitsarana tonga nivantana tany am-ponja teny Avaradrano sy Tsiafahy, nijery ny voafonja, hoy ny fanazavan’ny SPAPM na ny Sendikan’ny Mpandraharahan’ny Fonja. Ny mpandraharahan'ny fonja izay voatohitohina ihany koa eo anatrehan'ny fanenjehana sy fanosoram-potaka maro. Ny didy mifehy ny fitantanana ankampobeny ny fonja eto Madagasikara (indrindra ny didy laharana faha 2006 015) sy ny lalàna momba ny fitsarana heloka bevava (CPP) moa no mamaritra fa ny Minisitry ny Fitsarana dia manana zo miditra maharitra, tsy voafetra ary tsy mila fampilazana mialoha amin’ny fonja rehetra manerana ny tanin’ny firenena (trano fitanana am ponja, fonja lehibe, toby fanasaziana). Mandritra ny fitsidihany na ny an’ireo mpanara maso avy amin’ny ministerany, ny fanaraha maso dia mifantoka amin’ny lafiny ara lalàna telo lehibe. Fanamarinana ny maha ara lalàna ny fitanana am ponja: hijery ny rejisitry ny voafonja mba hahazoana antoka fa tsy misy olona tazonina tsy ara lalàna na mihoatra ny fe potoana ara dalàna (indrindra amin’ny resaka didy famonjana sy fitanana vonjimaika lava loatra). Fanaraha maso ny fepetra iainan’ny voafonja: Handinika ny fanajana ny maha olombelona, ny sakafo, ny fahadiovana ary ny fahazoana fitsaboana, araka ny lalàna nasionaly sy ny fifanarahana iraisam pirenena nankatoavin’i Madagasikara. Fifehezana sy fanombanana ny mpiasa: hamarina ny fanatanterahana tsara ny adidin’ny mpiasan’ny fonja sy ny tsy fisian’ny fanararaotam pahefana na kolikoly. Nampahafantarina mialoha, hoy ny Sendika, ny tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny fandraharahana fonja ny fidinana ifotony teny Avaradrano sy Tsiafahy, ary natrehin’ny Fitaleavam-paritry ny fonja (DRAP) sy ny Lehiben’ny fonja. Minisitra mpiahy no tonga teny an-toerana fa tsy olona hafa akory, andro mazava fa tsy alina, ary notapenana ny endriky ny voafonja. Ny zava-dehibe dia ny famoahana ny marina sy ny mangarahara, manoloana ny famafazana lainga sy tsaho hanakorontana ny Firenena sy ny Fanjakana, hoy ny fanambaran'ny SPAPM. Nanamafy ny Minisitry ny Fitsarana omaly fa nisy fanasoketana ny Fitsarana sy ny fonja ho manapoizina voafonja ka noporofoina fa tsy marina dia tokony ho tapitra hatreo ny adihevitra. Tahaka izany ihany koa ny fanelezana fa nisy voafonja efa any an-dafy, nolazaina fa nandoa 2,5 tapitrisa euro kanefa diso, ary izy efa ao am-ponja mbola lazaina ho manao kolikoly, ka izany no tena fanitsqkitsahana ny zon'ny voafonja, hoy i Fanirisoa Ernaivo.
Toky R

 

Dans la même rubrique

11-juin-2026

tsy ampiharina araka ny tokony ho izy ny lalàna!»

Card image cap
11-juin-2026

dia mijanona eny ifotony!»

Card image cap
11-juin-2026

Tena mañana ny toerany sy ny

Card image cap
11-juin-2026

tsy afaka manafatra intsony ny ASPROMA

Card image cap
11-juin-2026

Sefo Fokontany, ny tanàna nirehitra

Card image cap
10-juin-2026

Tsy maintsy giazana ny SODIAT noho ny kolikoly maro !"

Card image cap