airtel

Actualités

06-août-2025

MPIVADY NIRAY TSIKOMBAKOMBA

TAMIN'NY FANOLANAN-JAZA Nalefa eny amin'ny fonjaben'i Tsiafahy ilay Raikely

Sample post image

Nalefa eny amin'ny fonjaben'i Tsiafahy ilay Raikely nahavanon-doza

06-août-2025

nahavita nanolana ny zana-badiny vao 14 taona monja. Tsy vitan'izay fa voatazona vonjimaika eny amin'ny fonjan' Antanimora ihany koa ny Renin'ilay zaza. Niray tsikombakomba tamin'ny fanolanana ny zanany vavy mantsy ity farany. Nahafantatra tsara ny fanolanana matetika nahazo an-janany izy hoy ny vaovao kanefa nanafina sy nandrara ilay zazavavy tsy hiteny na tamin'iza na tamin'iza. Raha tsiahivina dia ny datin'ny 31 Jolay lasa teo no nisy olona tsara sitrapo nitondra tao amin'ny biraon'ny Zandary Anosizato ity zazavavikely, niharan'ny fanolanana ity. Voamarina teny anivon'ny mpitsabo tompon'andraikitra fa sady simba ny fivaviany no simba tanteraka ihany koa ny lava-bodiny.Vehivavy miisa 03 moa raha tsiahivina no nandray ny andraikiny avy hatrany rehefa nahafantatra ity fandikan-dalàna mahatsiravina nitranga ity.
Pati
Légende : Any am-ponja no hanohizan'izy mivady ireto ny tohin'ny fiainany 

Dans la même rubrique

17-sept-2026

karaman’ireo depiote hamahana delestazy ! »

Card image cap