Manana ny loharanon-karena isika »
Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny « Dinika fanaingana ny Toekarena » teny amin’ny CCI Ivato ny Filohan’ny Fanavaozana, RANDRIANIRINA Michaël, niaraka tamin’ireo Mpanolontsaina Avon’ny Fanavaozana efatra mirahalahy. Tonga nanatrika ny hetsika ny solontenan’ny Fanjakana, ny sehatra tsy miankina, ny mpiara-miombonantoka iraisam-pirenena, ny tanora, ny vehivavy, ny mpandraharaha ary ny mpamokatra. Nahitsy ny Filoha ny Filoha nilaza hoe : “…Tsy mila Dinika feno kabary izahay, fa mila Dinika mitondra fanapahan-kevitra.” Nohazavainy fa tsy fivoriana tsotra no atao eto, fa fiandohan’ny asa lalina miaraka amin’ny fanapahan-kevitra sy vokatra andrasana mazava. Notsiahiviny ihany koa fa «Esorina ireo sakana ary hatsaraina ny fisitrahana angovo, ny fahazoana famatsiTm-bola ary ny kalitaon’ny fotodrafitrasa…” ary ambonin’izany rehetra izany, dia ilaina ny firaisankinantsika rehetra fa io soatoavina iray io no mila iainantsika vao afaka hampandroso isika Malagasy dia ny fihavanana sy firaisankina izany. Raha ny zava-misy ankehitriny, mitombo haingana ny mponina Malagasy, mananika ny 3% isan-taona. Midika izany fa mitombo haingana ny filàna ara-tsakafo sy ny asa. Na izany aza, mbola ambany loatra ny fahafahan’ny firenena mamokatra sy manondrana. Tamin’ny taon-dasa, 3,5% monja ny fitombon’ny harin-karena faobe, izay mbola tsy ampy raha oharina amin’ny fitombon’ny mponina. Hoy ny Filoha: “Tsy maintsy ovaina izany ! Afaka manova isika, ary afaka manavao raha ataontsika ho laharam-pahamehana nasionaly ny fampitomboana ny vokatra sy ny fahavitana asa marina… raha ampirisihintsika ny fampiasam-bola, raha tohanantsika ny asa, raha ataontsika mazava kokoa sy mahariitra kokoa ary mifanjaina kokoa ny tontolon’ny fandraharahana…” , hoy ny Filoha.
MANANA NY LOHARANON-KARENA ISIKA
Nohamafisiny ihany koa fa manana loharanon-karena, talenta ary hery lehibe i Madagasikara. « Azo tantehana ny fanovana, manomboka izao izany ary miankina amintsika tsirairay ka andao hanova, andao hanavao.”, hoy hatrany izy. Tsy voafetra amin’ny sehatra anatiny ihany ny dinika fa mikendry fiaraha-miasa iraisam-pirenena. Notsiahiviny fa ny Fanjakana dia efa manomboka amin’ny fiaraha-miasa amin’ny mpiara-miombonantoka avy amin’ny firenena any amin’ny « Golf ». Eo ihany koa ny fanirian’i Madagasikara ho mpiara-miombonantoka ao anatin’ny BRICS, ary handray anjara amin’ny fihaonam-be an-tampony hatao any Inde ny volana jona sy jolay 2026. Nisaoran’ny Filoha manokana ny Vondrona Eropeanina tamin’ny fanohanana ny fampandrosoana an’i Madagasikara nandritra ny taona maro. Nanome hafatra ho an’ny sehatra tsy miankina izy: “Ianareo no fototra mampiroborobo sy hampiroborobo ny toekarena no sady antoka ho an’ny fampidirana ny fampandehanan-draharaham-panjakana amin’ny alalan’ny hetra iantsorohanareo izany. Ianareo koa no kitro ifaharan’ny ezaka rehetra fototra ho fanaingana ny toekarena malagasy. Mankahery anareo aho ary maneho hatrany ny fahavononako hanome lanja sy hampiroborobo ny sehatra tsy miankina malagasy.” , hoy ny Filoham-panjakana. Navoitrany noho izany fa “Madagasikara dia tsy mahantra fa nampahantraina…” ka mbola hifampiresahantsika, hampiantso mpandraharaha avy any ivelany foana ve sa ny harentsika no atao ampy hampiakarana izany fiharian-karena malagasy izany? Santatra am-bavarano ihany ity hetsika natao teny amin’ny CCI Ivato ity, ary mbola hisy ny dinika sy fihaonambe tahaka izao hatao any amin’ny faritra, ho fanamafisana ny firaisankina sy ny fandraisana andraikitra iombonana, raha ny fanamarihana.
Toky R