Nidina andalam-be namakivaky ny tanànan’Imeritsiatosika ny vahoaka sy mponina voakasiky ny tetikasa Tanamasoandro ny sabotsy teo. Fokontany 7 eo no voakasika, saingy naneho fiaraha-mientana na ireo avy amin’ny fokontany voakasika mivanta na ireo hafa ho fanehoana firaisankina. Atao amboletra, hoy ireo mponina, ny fametrahana « piquet » hamariparitana ny tanin’izy ireo na tanimboly na tanimbary, eny hatramin’ny trano fonenana. Mampalahelo anay ny fanaovana tsinontsinona anay vahoaka, ka tokony mba hanam-pahendrena ny fitondrana, ireo vahoaka no nahatonga azy ho teo amin’ny toerany, ka tsy tokony izay tian’ny Fanjakana hatao no atao fa mba mila henoina ny vahoaka. Ny misaoty makany amin’ilay tanim-bahoaka 640Ha no tena mahamaika ny fitondrana, fa tsy any amin’ny tanim-panjakana, hoy ny olona. Namafisina fa tsy rariny raha amin’izao fotoantsarotra izao no hanala ireo tantsaha amin’ny taniny ny fanjakana, ary notsipihina fa tsy misy ambadika politika fa tena fa tena fiarovana ny tanim-bahoaka. Misy ireo andian’olona vitsy lazaina fa mankasitraka ny tetikasa amin’izao fotoana ka nilaza ireto tantsaha ireto fa tsy mahasolotena azy ireo izany. Ny fiandohan’ny volana martsa teo nandritra ny fametrahana samboadin’ireo ben’ny tanàna lany tao amin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano moa no nilazan’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny tanàna vaovao Atoa Gérard Andriamanohisoa, fa tsy maintsy hirosoana ny Tanàmasoandro. Hentitra kosa ny ben’ny tanànan’Imeritsiatosika Atoa Parisoa Andriambolanarivo nitondra fanairana sy fampitandremana ho an’ny Fitondram-panjakana sady naneho fa eo anilan’ny vahoaka eo anatrehan’ny fakana amboletra ny taniny. « Atoa Filoham-pirenena, miangavy anao am-pitoniana aho hijery akaiky ny tompon’andraikitra izay napetrakao mahakasika ity tetikasa Tananamasoandro ity. Ny « mandat quinquennale » dia 5 taona, ny tanin’olona izay hamelomany ny vady aman-janany dia mandra-pahatapitry ny fofon’ainy. Sao lahy kitrongitrongy amin’ny tanin’olona ny zavatra atao ao, sao lahy ka fanototrotorana tany no mahamaika ao, rehefa vita izay atao izay, tapitra ny fotoam-piasana izay ny lalàna no mamaritra, rehefa avy eo ny vahiny no hanjakazaka amin’ny tany ao », hoy ny Ben’ny tanàna Parisoa Andriambolamena. Nahitsy ity ben’ny tanàna ity nilaza fa « rehefa manao tetikasa iray ka tsy vita ny fampihavanana ny olona amin’ny taniny dia tsy mandeha izany io tetikasa io na ho vy na ho vato ».
SAO HO SINGAM-BOLO HANDAVO NY VOSITRA…
Niantefa amin’i Andry Rajoelina noho izany ity ben’ny tanàna ity hijery ireo tompon’andrikitra miodidina sy manodidina ity tetikas ity sao misy manao maso be tsy mahita. Hentitra Atoa Parisoa Andriambolanarivo nampitandrina fa « Imeritsiatosika dia hafahafa ihany ka tandremo lahy fa mety ho singam-bolo mety handavo ny vositra ka hoy aho hoe atsaharo tsy misy hatak’andro ny fangalana ny tanim-bahoaka », hoy izy. Ianareo mpitandro ny filaminana ihany koa, hoy izy, dia avy amin’ny vahoaka ianareo, miaina anaty fiarahamonina, ka aza misy manaraka baiko hoe : sambory iry mpitaritarika iry hampitahorana ny betsaka. « Miangavy anareo aho, aza misambotra olona na iray aza fa ny fikitikitihina zavatra iray mety hiteraka zavatra hafa. Tsy manimba zavatra ireo, manao hetsika am-pahendrena, ka aza manarakaraka baiko tsy araka ny tokony ho izy. Tsy izany no vahaolana fa ny fanatsaharana ny fakana tanim-bahoaka », hoy ny ben’ny tanànan’Imeritsiatosika. Mizotra makany amin’ny « Ambohitrimanjaka bis » ny sary ao Imeritsiatosika satria tonga hatrany amin’ny fiantsoana ny hamindrana izany any an-toeran-kafa ireo vahoaka izay maneho fa tsy manakana ny tetikasa, fa kosa manohitra ny fibodoana tanim-bahoaka. Andrasana ny tohiny !
Toky R
Nivoaka omaly 29 Aprily 2025 ny didim-pitsarana niampangana ny filohan’ny sendikan’ny paramedy, Rakotoarilison Armand.
Sarotra ny hilaza fa tsy nahitàna tombontsoa ny fiaraha-miasa teo amin’i Madagasikara sy Frantsa
Raha namoaka fanambarana ny mpitandro ny filaminana fa tsy misy hidiran’ny Base Toliara
Taorian’ny tsy fifankahazoana teo anivon’ireo mpivarotra sy ny ben’ny tanànan’Antehiroka,
Solontenan’i Madagasikara amin’ny Mondial du Pain faha-10 izay hatao any Nantes Frantsa
Ny lafiny ara-pahasalamana no tena olan’ny ankamaroan’ny Malagasy