namoaka dosie goavana…
Miha mangotraka ny raharaha manodidina ORTM (Office de la Radio et de la Télévision de Madagascar) taorian’ny fanalana ny Tale Jeneraly Lemana Élysée, nandritra ny filankevitry ny Minisitra omaly 10 novambra 2026. Ity farany izay raha tsiahivina, dia nilaza fa iharan’ny tsindry sy terena hanao kolikoly, ary manana porofo, raha nilaza kosa ny andaniny fa tsy manaja rafitra sy antanan-tohatra ary ny lehibeny na manao « insubordination » ity farany. Tsy niandry ela, fa omaly ihany dia nivoaka ny setriny. Nisy ny lahatsoratra nozarain’ny mpanao gazety Eric Laperozy nitatitra ny antso ataon’io DG ORTM teo aloha io. Miantso fidirana an-tsehatry ny Bianco sy ny Fitsarana momba ny kaonty mba hanokatra fanokafana fanadihadiana mahaleo tena momba ny fitantanan’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Gascar Fenosoa, sy ireo mpiara-miasa aminy i Lemana Elisée. Araka ireo fanazavana sy antontan-taratasy navoakan’i Lemana Élysée, dia fifanarahana telo natao tamin’ny orinasa tsy miankina no fototry ny olana. Ireo fifanarahana ireo, hoy izy, dia nosoniavin’ny minisitra sy ny Sekretera Jeneraly teo aloha, nefa tsy nahazo ny fankatoavana avy amin’ny Tale Jeneralin’ny ORTM. Toe-javatra izay heveriny fa mifanohitra amin’ireo fepetra mifehy ny fitantanana sy ny fahaleovantenan’ity orinasam-panjakana ity. Ny roa amin’ireo fifanarahana ireo dia nifanaovana tamin’ny orinasa PIXELSE, tamin’ny 15 Desambra 2025 sy 28 Janoary 2026. Araka ny votoatin’izany dia nofoanana ny trosa tokony haloan’ny orinasa amin’ny ORTM, izay mitentina 42 tapitrisa ariary sy 9,0625 tapitrisa ariary. Raha atambatra dia mahatratra 51,0625 tapitrisa ariary ny vola voakasika tamin’izany fanapahan-kevitra izany. Ho setrin’izay fanafoanana trosa izay dia voalaza fa nanatanteraka asa sy tolotra ho an’ny ministera ny orinasa. Mbola nampitombo ny fifandirana ihany koa ny fifanarahana fahatelo natao tamin’ny INTERTRADE SARLU ny 5 Martsa 2026. Voafaritra ao anatin’io fifanarahana io ny fandefasana dokam-barotra amin’ny alalan’ny RNM (Radio Nationale Malagasy) sy ny TVM (Télévision Malagasy), ka vola 10 tapitrisa ariary isam-bolana no takalon’izany.
MANAO AHOANA NY SATAN’NY ORTM ?
Nametraka fanontaniana lehibe momba ny fahefana nampiasaina tamin’ny fanaovana ireo sonia ny andaniny. Ahoana no nahafahan’ny minisitra sy ny Sekretera Jeneraliny nampiditra ny fananan’ny ORTM, nampiasa ny trosany ary nandray fanapahan-kevitra ara-barotra mahakasika ity orinasam-panjakana ity raha tsy nisy ny sonian’ny Tale Jeneraliny? Ny Didim-panjakana laharana faha-2020-1001 tamin’ny 20 Aogositra 2020 izay mandrindra ny fandaminana sy ny fiasan’ny ORTM no lasa ivon’ny adihevitra. Ao amin’ny andininy faha-2 dia voalaza mazava ny fisian’ny fahaleovantenan’ny ORTM eo amin’ny lafiny fitantanana sy ny fitantanam-bola. Ny andininy faha-20, faha-21 ary faha-24 kosa dia mametraka ny Tale Jeneraly ho solontena ara-dalàna ny orinasa, tompon’andraikitra amin’ny fitantanana ny fananana sy ny loharanom-bola ary hany olona manana fahefana hanao sonia fifanarahana amin’ny anaran’ny ORTM, hoy ny fampahatsiahivana. Etsy ankilany, ny andininy faha-34 dia mamaritra fa ny rafitra mahefa ao anatin’ny ORTM no tokony handray anjara amin’ny fifampiraharahana sy ny fanaraha-maso ireo fiaraha-miasa rehetra. Misy ve ny fanomezan-pahefana ara-dalàna nahafahana nanolo ny Tale Jeneraly? Nahazo alalana manokana avy amin’ny lalàna ve? Raha tsy nisy izany dia mety ho azo iadian-kevitra ny maha-ara-dalàna ireo fifanarahana ary mety ho voakasika amin’ny fanadihadiana ihany koa ny andraikitra ara-pitantanana sy ara-bolan’ireo nanao sonia. Tao anatin’ny fanambarany dia nanamafy i Lemana Élysée fa nandà tsy hanohana sy hanaiky ireo fifanarahana ireo izy satria heveriny fa tsy manaraka ny fitsipiky ny fitantanana ny orinasam-panjakana. Voalaza ihany koa fa niharatsy ny fifandraisana teo aminy sy ny minisitra nandritra ny fitantanana ny efitrano Havoria etsy Anosy, ka niafara tamin’ny fifanandrinana ampahibemaso tamin’ny 6 Novambra lasa teo izany. Raha voakiana mafy ho tsy nanaja rafitra sy antanan-tohatra amin’ny maha olom-pehezin’ny Minisitra azy, i Lemana Elisée dia miampanga ny Minisitra ho manao fihoaram-pahefana, fanodikodinana, kolikoly,… Inona no mety ho setriny sy fanazavana avy amin’ny ankilany manoloana ny ampamoaka? Fifandrifian-javatra ihany koa ve ny hoe : ao anatin’ny dian’ny PRRM niazo an’i Torkia no nisy ny fanapahan-kevitra lehibe sy ny setriny ? Saropady ity raharaha ity ka asa hanao ahoana ny tohiny ? Zary lasa manimba endrika ny Fanjakana Fanaozavana ny tahaka izao ka mila harenina!
Navoakan’ny fampahalalam-baovao vahiny Africa Intelligence moa omaly fa tsy nosoniavin’ny Minisitra ny « ordre de mission » an’ny DG ORTM tokony ho niatrehana ny Fihaonana an-tampony Afrika-Rosia ny 25-30 oktobra teo, na nisy aza ny fanasana ofisialy sy ny tapakilan’ny fiaramanidina tokony ho niaingany ny 23 oktobra. Manamafy ny fisian’ny lonilony lalina sy avo lenta ny an’ny andaniny sy ny ankilany efa nafana tao. Tsy tazana tamin’ny lanonana mikasika ny faha-160 taonan’ny Gazety Malagasy (GAMA) notarihin’ny Minisitra, notronin’ny Praiminisitra,… natao tamin’ny faritry ny ORTM ny tenany omaly, fa niatrika ny valan-dresaka nataon’ny Mpiraki-draharaha Rosianina. Io no mety nanamafy ny fanesorana azy izay efa noheverina fa tsy maintsy hitranga.
Toky R