airtel

Actualités

13-juin-2025

Nitsangana tamin’ny maty fony 10 taona

Velona soa aman-tsara saingy moana ilay renim-pianankaviana

Sample post image

Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra

13-juin-2025

fa efa maty nandao ny tany, nandritra ny 3 andro teo amin’ny faha-10 taonany. Efa nandrasana teo am-bohitra ny razana tamin’izany saingy rehefa tonga ny fotoana nandevenana azy dia nikofokofoka izy tao anaty vatam-paty, raha araka ny fantatra. Novahana ny fatorana vokatr’izany, noborahina koa ny lamba namonosana azy ka velona soa aman-tsara izy. Ny nahagaga sy nahavariana ny maro anefa taorian’izany dia lasa moana izy, tranga izay tsy voazavan’ireo fianakaviany mandraka androany. Raisin’ny My Sunset an-tanana ny fikarakarana ity Renim-pianakaviana ity ankehitriny izay efa 80 taona latsaka, fikambanana izay tsiahivina fa miahy manokana ireo zokiolona sahirana eny Fenoarivo Atsimondrano eny. Marihina moa fa betsaka ireo olona matahotra azy noho ny tranga hafahafa efa niainany ka anisan’ireny ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny My Sunset. Anatra azo tsoahina ao anatin’ny tantaran’ity Renim-pianakaviana ity dia tsy tokony hahamaika handevenana ny maty araka ilay fomba fiteny manao hoe : Ny hanongotsongoana ny maty hono, tahotra ny handevim-belona !
Pati
Legende : Karakarain’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny My Sunset tsara izy amin’izao !
 

Dans la même rubrique

17-sept-2026

karaman’ireo depiote hamahana delestazy ! »

Card image cap