airtel

Actualités

23-avril-2026

Njaka Andriantsoa

«Tsy misy vahaolana

Sample post image

raha tsy mifampiresaka»

23-avril-2026

Fanehoan-kevitra tahaka ny fanehoan-kevitra rehetra ny an’ireo tanora nidina Ambohijatovo na kianjan’ny 13 may tato ho ato, hoy ny mpikatroka eo anivon’ny vondrona politika RNR sy G5, Njaka Andriantsoa. Zon’ny tanora niara-nitolona hanalàna ny filoha teo aloha, Andry Rajoelina, mihitsy, hoy izy, rehefa tsapan’izy ireo fa mbola tsy vita ny tolona no miverina mitolona indray. Izay heveriny ho mbola tsy vita izay no iverenany takiana. Tsy inona io fa ny fandravàna ny antenimieram-pirenena. Teny an-kianja io no efa nolazaina fa rava. Tsy misy antony tokony hisamborana ireo tanora maneho hevitra satria zon’ny tanora tanteraka ny maneho hevitra. Fifampiresahana sy fifampihainoana no tokony hiarahana amin’ireo tanora! Misy maharary azy ao matoa izy midina an-dalambe. Misy hevitra tsy mipaika any amin’ny tokony hiantefàny ao. Hanaro ny tanora fa aza samborina! Inona moa no olana amin’ny fandravàna ny antenimieram-pirenena? Ny fikaonandoham-pirenena izao mampametra-panontaniana hoe aiza? Fikaonandoha isaky ny minisitera no hita hatreto. Mbola amin’ny desambra 2027 ny tetiandro. Hiandry an’izay ve vao ho ravàna ny antenimieram-pirenena dia hiditra fifidianana avy eo satria 2028 any no fifidianana raha arahana hatrany toy ny amin’izao fotoana izao ny lalàmpanorenana? Sa eo ve vao hiditra tetezamita vaovao? Izay soridalana tsy mazava hitondràna ny firenena amin’izao fotoana izao koa ve no mahatonga ireo tanora hidina an-dalambe? Izay no antony hoe aleo mifampiresaka fa tsy misy tsy vitan’ny fifampiresahana. Tsy misy vahaolana raha tsy mifampiresaka, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

19-juin-2026

no tsy manao ezaka mianatra»

Card image cap
19-juin-2026

Haverina ny lanjan’ny fampianarana teknika », hoy ny Minisitra Todisoa

Card image cap
19-juin-2026

lehibe ny tananan'i Talatamaty

Card image cap
19-juin-2026

nalentiny tao anaty rano ny zanany

Card image cap
18-juin-2026

manoloana ny raharaha Iran sy Etazonia

Card image cap
18-juin-2026

Lehilahy iray mpanao saribao naiditra am-ponja vonjimaika

Card image cap