airtel

Actualités

15-janv-2026

Ny Rado Rafalimanana

«Nampihetsi-po ahy ny lahateny

Sample post image

nataon'ny filohan'ny fanavaozana teto Abu Dhabi»

15-janv-2026

Tena nampihetsi-po ahy manokana ny lahateny nataon'ny filohan'ny fanavaozana an'i Madagasikara, ny Kolonely Mickael Randrianirina, teto amin'ny Abu Dhabi Sustainability Week - ADSW, hoy ny mpandraharaha malagasy monina any an-toerana, Ny Rado Rafalimanana, omaly, satria dia nataony tamin'ny teny malagasy izany. Nanontany ahy daholo ny emiraty hoe mitovitovy amin'ny teny arabo ny teny malagasy, hoy izy. Eny hoy aho satria ny teny malagasy anisan’ny renin-teny tranainy. Sady nihaino daholo ny rehetra no mafonja ihany koa ny hafatra ho an’ireo mpamatsy vola iraisampirenena. Rehefa ivelan'i Madagasikara dia tokony iray feo daholo ny malagasy! Izay no tena atao hoe fitiavan-tanindrazana. Ny fanahy no mahaolona. Ny hery tsy mahaleo ny fanahy. Hanova zavatra maro isika ho an’i Madagasikara. Samia mitondra izay tandrify fa Madagasikara an’ny malagasy, hoy hatrany ity mpandraharaha ity.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

10-sept-2026

Miahiahy sy miampanga olom-boafidy TGV ireo voakasika

Card image cap
10-sept-2026

tokony hahintsy ny fifidianana!»

Card image cap
10-sept-2026

ny volan’ny orinasan-dRajoelina

Card image cap
10-sept-2026

Niseho tamin’ny alalan’ny « visioconférence »

Card image cap
10-sept-2026

Hovitaina mialohan'ny faran'ny taona

Card image cap
09-sept-2026

rano fisotro madio tsy tapaka ny fanjakana

Card image cap