airtel

Actualités

03-nov-2025

Olan’ny fandraharahana ny fonja

Nahita vahaolana vonjimaika

Sample post image

ny Minisitra sy ny SPAPM

03-nov-2025

Taorian’ny fihaonana tamin'ny Filoham-panjakana in'efatra sy ny fihaonana tamin’ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta, izay iresahana ny olan’ny mpandraharahan’ny fonja, dia nisy ny fihaonana in-droa miantoana teo amin’ny amin’ny Minisitry ny fitsarana Rtoa Fanirisoa Ernaivo sy ny Sendikan’ny Mpandraharahan’ny fonja eto Madagasikara na ny SPAPM notarihin’ny Sekretera Jeneraliny Atoa Myridin Mohamed Razafiberison. Nifampiresaka mikasika ireo olana sy fitakian’ny mpandraharahan’ny fonja. Nivoitra fa aorian'ny "concertation nationale" vao ho tanteraka ny fahazoana Sekreteram-fanjakana na SEAP ary hanampy amin'ny fomba rehetra hahatanteraka izany Rtoa Ministra ny Fitsarana Fanirisoa Erinaivo, raha ny tatitry ny mpandraharahan’ny fonja. Hita ny marimaritra iraisana vonjimaika, ka nisy ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny roa tonta ny sabotsy lasa teo. Tafiditra ao anatin’izany ny firosoana amin’ny pitsopitsony mikasika fahaleovantena eo amin'ny ara-bola sy ny fitantanana ny mahaolona amin'ny alalan'ny fametrahana ny DAFP (Direction Administrative et Financière Pénitentiaire) ambany Fiadidian'ny DGAP (Direction Générale de l’Adminisitration Pénitentiaire). Nanome toky hanampy amin'ny famohana ny sata mifehy ny mpandraharahan’ny fonja efa eny amin'ny Antenimierampirenena ny Minisitera. Ny sata mifehy efa tamin’ny taona 1995, ka efa lany andro. Hisy fanovana sy fanatsarana ny resaka "inspection" ka hoesorina eo ambany fiadidin'ny BCCJEP ny DIP fa ho atao ambany fiadidin'ny DGAP. Hisy ny fanatsarana ny fomba fanendrena ny tompon'andraikitra ka tena homena fahefana feno ny DGAP amin'ny fanendrena ireo tompon'andraikitra fibaikona rehetra manerana ny Nosy mba hisian’ny firindrana ihany koa amin’ny resaka fibaikoana amin’ny maha « paramilitaire » ny mpandraharahan’ny fonja,... Hojerena ihany koa ny mahaolona toy ny resaka tambin-karama, hisy ny fitadiavana fiaraha-miombon’antoka sy fiaraha-miasa amin'ny foloalindahy amin'ny fanavaozana ara-pitaovana izay efa lany andro. Hojerena ireo ihany koa ireo Mpandraharahan'ny fonja nanana olana arak’asa namoronana vesatra hafa ka manana olana ara-pitsarana amin'izao. Natao vonjimaika ny fifanarahana sy ny fanavaozana mandra-pahatongan'ny SEAP araka ny fifampiresahana tamin’ny Filoha sy Praiminisitra, ka naneho fahavovonana hanampy raha mbola zavatra vitany sy voavahany eo amin'ny Minisitera ny Minisitra, raha tsy vitany dia hiady any ambony, raha ny tatitry ny SPAPM.
NANKASITRAHAN’NY SPAPM FINIAVANA AVY AMIN’NY MINISITRA
Nankasitraka sy nidera ny Minisitra Fanirisoa Ernaivo tamin’ny fandraisana ho zava-dehibe an’ity sampan-draharaha ity ka nitondrany vahaolana ny SPAPM. Nisaotra tamin’ny fahatokisana ka fanendrena ny DGAP izay Filohan’ny SPAPM, izay sambany ihany koa no nisy filohana sendika napetraka ho DGAP. Ny Filohan’ny SPAPM izay olom-boafidy, ary mifandray sy mitakosina tanteraka amin'ny mpiasa rehetra ka mendrika ho lehibe ho lohan’ny « Administration », raha ny fanamarihana. Teo aloha olona tsy fantatra, tsy fantatry ny mpiasa. Hatramin'izay raha mangataka fihaonana ny sendika dia miandry fa tamin'ity tena nisy firaharahiana na « considération », ary naneho ny Minisitra fa fantany ny olan’ny mpandraharahan’ny fonja, fantany ny olana eo amin’ny departemanta iadidiany, hoy hatrany ny SPAPM tarihin’ny Sekretera Jeneraliny Myridin Mohamed Razafiberison. Vonona tanteraka ny Mpandraharaha ny Fonja hiara-hiasa amin'i Minisitry ny Fitsarana araka ny fangatahany hifanome tanana ho an'ny Ministeran'ny Fitsarana
Toky R

 

 

Dans la même rubrique

10-nov-2025

Rehefa vita ny fifidianana ben'ny tanàna

Card image cap
10-nov-2025

Mazava tsara ny resaky ny minisitry ny

Card image cap
10-nov-2025

ny IGE hanao ny fanaraha-maso

Card image cap
HCC
07-nov-2025

Tafiditra tao anatin’ilay fanapahana mitondra

Card image cap