airtel

Actualités

08-janv-2026

ONIVERSITEN'ANTSIRANANA

Nahazo jiro « solaire » sy solosaina

Sample post image

Ankoatra ireo fampidirana rano

08-janv-2026

tamin’ny "forage" sy ny fanolorana ireo fitaovana isan-karazany nataon’ny filohan’ny fanavaozana tany Antsiranana dia efa mirehitra ihany koa ny jiro amin’ireo toeram-pianarana 8 ao amin’ny oniversiten’Antsiranana. Mitohy ny asa ary faranana amin’ny herin’andro io ny tapany voalohany, ka ahazoana ny 180 KW ho an’ireo mpianatra sy ireo mpandraharaha, mpiasa am-birao ao amin'ny oniversite. Nampanantena moa ny filoha fa ho fenoina ny tanjak’ireo fitaovana ireo ato ho ato, inoana kosa anefa fa maro amin’ireo olana sedrain’ireo mpianatra no ho voavaha amin’ity tapany voalohany ity.Tao anatin’ny efatra herinandro no nanatanterahana ny asa ary manampahaizana Malagasy avy eny amin’ny oniversitem-panjakana ihany no nifarimbona nanatanteraka ity vina ity. Nampiarahana tamin’ireo fitaovana ihany koa ny camera de surveillance sy ny solosaina hanampiana ireo mpiandraiki-draharaha eny anivon’ny oniversite. Anisan’ny ezaka azo tsapain-tanana hamahana ny olana eny anivon’ny anjerimanontolo izao notanterahan’ny fanjakana Malagasy izao.
Nangonin'i RTT
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap