mikasika ny fankasitrahana sy tsy fankasitrahana ny Praiministra vaovao Rajaonarivelo Herintsalama. Nambaran'ny Pastera Heritiana Randriarimalala Filoha mpanorina ny trano fivavahana Vahao ny Oloko fa tsy olona no olana fa ilay rafitra iraisan'izao tontolo izao sy mifehy azy mihitsy dia ny système franc maçonnerie izany. Na iza na iza hoy izy olona hitondra sy hitantana eo ka namatsy vola tamin'ny fifidianana lanim-bahoaka sy nankato ny governemanta sy ny Antenimieram-pirenena dia tsy afa-miala. Ny olona no mety miova hoy izy fa ny Patron dia iray ihany. Ny nantenain'ny Malagasy hoy izy dia niongana ilay Fitondrana teo ary samy nanamboatra izay fantany fa mahasoa azy ny tsirairay toy ny nanendren'ny polisim-pirenena ministra mety aminy, ny nanalan'ny mpiasan'ny Jirama ny tale jeneraliny....Vantany vao tafapetraka tamin'ny toerany anefa hoy izy ny Praiministra vokatry ny safidin'ny maro an'isa teo anivon'ny Antenimieram-pirenena dia efa miverina amin'ny ara-dalana indray isika. Mety hisy ny zavatra hiova eto amin'ny firenena hoy izy fa kely. Mety hatahotra ireo mpangoron-karena ka tsy hakabe intsony saingy na izany aza tsy maintsy haka ihany izy. Namintin'ny Pastera Heritiana azy araka izany ny hoe: raha mbola mpitondra tsy mafy loha ka tsy mahatohitra ny volabe hafafin'ireo vazaha dia mbola tsy hisy tena fitiavan-tanlndrazana marina izany eto Madagasikara.
Pati
Légende : Pastera Heritiana Randriarimalala manaraka akaiky ny raharaha politika eto amintsika !