Fotoana nanararaotan’izy ireo nanambara ny maharary azy indrindra dia ny fanilihan’ny fiarahamonina azy ireo. Nilaza moa i Ballou sarimbavy fa noho ny resaka ara-pinoana sy amin’ny toe-batana (fihetsika) no tsy aneken’ny Malagasy azy ireo. Mitarika henatra sy tahotra anefa io fanilihana io ka tsy sahy manara-maso ny toe-pahasalamany ny ankamaron’izy ireo. Mahatratra 14%-n’ny mpikambana MSM no mitondra aretin’ny firaisana ara-nofo ary anisan’izany ny VIH –SIDA. Manao antso moa ny ONU Sida mba tsy hisian’ny fanavahana ny olom-pirenena rehetra satria vao mainka manasarotra ny asa fanaraha-maso ny fahasalaman’ireo mpikamban’ny MSM ireo ny toe-javatra sahala amin’izany.