Niparitaka ny filazam-baovao samiafa nilaza omaly fa nanaovan’ny miaramila tsy latsaky ny 20 mirongo fitaovam-piadiana sy nisaron-tava bemidina ny trano fonenan’ny Praiminisitra teo aloha, Général de Division Désiré Rakotoarijaona. Voalaza fa tsy nisy taratasy na « mandat » navoaka tamin’ity fisavana tampoka ity, fa baiko avy amin’ny Minisitry ny Fitsarana no voalaza fa nanome alalana, araka ilay filazam-baovao niparitaka, izay mpanao gazety iray no isan’ny namoaka azy voalohany. Mpanofa trano no monina ao amin'ity trano ity, ary tokatrano iray tao anatin'izany no nanaovan'izy ireo fisavana tamin'ny andro tamin'ny 3 ora sy sasany maraina, hoy ny tatitra. Nilaza ny renim-pianakaviana fa tamin’ny rivotra sy orana no nahatsikaritra ny vadiny fa misy olona miezaka mamoha varavarana. Nampandre azy avy hatrany izy hoe: “Misy mpangalatra be dia be ao ivelany.” Niezaka nanapika jiro sy télévison ilay ramatoa, nitrotro ny zazakely ary niafina tao amin’ny WC. Tao anefa dia efa nisy miaramila roa nanakana azy, nilaza fa “Voay io tranonareo io fa pitsohany io a.”, hoy hatrany ny voalaza fa fitantarana. Rehefa niantso fianakaviana akaiky izy ireo dia vao nanokatra varavarana. Niditra avy hatrany ireo miaramila nisaron-tava, nilaza fa mamita iraka sy manao fisavana. Tsy nisy taratasy ofisialy naseho na mandat, na dia notakian’ny tompon-trano aza, hoy ny fanamarihana. Nosokafana ny varavarana sy ny armoires rehetra. Nanontany ireo miaramila hoe: “Mpihavana daholo ve ianareo ato?” Nampandre polisy ny lehiben’ny fokontany, ary nanamafy ireo polisy fa fisavana tokoa no natao, saingy miaramila no nanatanteraka izany fa tsy polisy, hoy hatrany ny tatitra. Ny Praiminisitra teo aloha, Général Rakotoarijaona izay voalaza fa vao haingana no niresaka tamin’ny gazety, nandritra ny fikaonan-dohan’ny Zandarmariam-pirenena ny 9 Febroary ? Misy ifandraisany amin’ny fanehoan-kevitra nataony ve ity fisavana tampoka ity? Tena avy amin’ny Minisitry ny Fitsarana tokoa ve ny baiko ? Nahoana no tsy nisy taratasy raha izay tokoa ? Misy ifandraisany amin’ny toe-draharaha politika mafampana ? Andrasana ny mety ho fanazavana ofisialy mba tsy hisian’ny feon-dakolosy tokana…
Toky R
Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»