Manoloana ny fanelezana tsaho izay hinian 'ny sasany ahely eny anivon 'ny tambazotran-tserasera Facebook mahakasika ireo voafonja, izay noentina hanaratsina izao fitondrana tarihin 'ny Kolonely Michaël Randrianirina izao, indrindra fa ny Minisitry ny fitsarana Rtoa Fanirisoa Ernaivo dia naneho ny heviny ny Pr Joseph izay mpanompon'Andriamanitra no sady mpandinika ny raharaham-pirenena. Nambarany fa tokony hisy ny fandraisana fepetra hatao amin ' ireny olona ireny. Tsy mitondra fampandrosoana ho an ' i Madagasikara izany hoy izy no sady manankorotana firenena ny lainga. Ny fahamarinana no manandratra ny firenena, raha ny nambarany. Tsikaritra mantsy, ary niaraha - nahita tamin 'ny alalan 'ny haino aman - jery samihafa, fa dia tsy nisy olona navoaka tao am - ponja izany, na ny tao amin 'ny fonjan 'ny Tsiafahy na ny tao Avaradrano, ary tsy nisy voafonja nanome vola ho an 'ny Minisitry ny fitsarana ihany koa. Noho izany dia tokony ho henjehina araka ny lalàna ireo mpanely tsaho sy ireo izay mamoaka vaovao tsy marina fa fanetriben 'ny firenena. Eo anatrehan ' ireny fanelezana vaovao tsy marina ireny, dia aoka hatsahatra manomboka anio , fa ny tenin ' i Jesosy Kristy dia milaza mazava tsara, araka izay voasoratra ao amin 'ny ( Jaona, 8 ; 44 ) manao hoe : Ianareo avy tamin 'ny devoly rainareo, ka izay sitraky ny rainareo no tianareo hatao. Izy dia mpamono olona hatramin 'ny taloha, ary tsy nitoetra tamin 'ny marina, satria tsy misy marina aminy hoy ny Pr Joseph. Raha mandainga izy, dia ny azy no lazainy, satria mpandainga izy sady rain 'ny lainga. Koa araka izany tenin ' Andriamanitra izany, dia aoka samy handini - tena isika, ary aoka hialana ny lainga, fa ny lainga no namotika ity firenetsika Malagasy ity nandritra izay 16 taona nitondran - dRajoelina izay. Ambarako eto izany, satria heverina fa anisan 'ny nanonganan - dRajoelina an ' Atoa filoha Marc Ravalomanana ny fijoroana tamin 'ny alalan ' ilay teny filamatra hoe : " Fahamarinana sy Fahamasinana" sy ny nananganan 'ny filoha Marc Ravalomanana ny BIANCO tamin 'ny taona 2004. Tsy hahafahana miaina amin 'ny lainga sy ny halatra no antony hoy izy izay hanentanako an - dRtoa Fanirisoa Ernaivo Minisitry ny fitsarana ny hanenjehana hatramin ' ny farany ireo tsy maty manota eto amin 'ny firenena, sy izay nanondrana antsokosoko ny harem - pirenena sy namadika ny bolongam - bolamena hivadika ho vy. Toraka izany koa ireo izay naka ilay volabe 4000 Miliara Ariary izay nambaran 'ny Cour des Comptes.
Pati
Légende : Ny Pr Joseph !
Haverina ny lanjan’ny fampianarana teknika », hoy ny Minisitra Todisoa