airtel

Actualités

27-févr-2026

RAHARAHA AMBOHIMALAZA

Miandrandra ny hivoahan'ny tena

Sample post image

marina Maman'i Nombana

27-févr-2026

Mbola tsy nahitana izay tena mangirana hatreto Ilay raharaha fankalazana tsingerin-taona namoizana ain'olona maro teny Ambohimalaza tamin'ny taon-dasa. Anisan'ny nigoka ny mangidy tamin'ireny Raharindravoavy Marie Fleurette na i Maman'i Nombana izay namoy zanaka roabe izao dia i Onja sy Nombana izany. Handrandrainy fatratra noho izany ny tena hivoahan'ny marina mikasika ity raharaha ity. Ny tena mampalahelo anefa raha araka ny fitantarany dia misy siosion-dresaka mandeha amin'izao fa hosavaina ny trano. Tsotra amiko ny dikan'izany hoy izy dia ny fanakonana ny marina tsy hivoaka. Tena mañana porofo tokoa mantsy aho hoy izy, raharaha izay azo lazaina fa famonoana olona tsotra izao. Notsiahiviny moa fa manodidina ny 7 na 8 eo ho eo amin'izao ireo olona mbola marary ao Ambohimalaza ao. Ny 3 amin'ireo no nambarany fa mbola tena marary mafy ka ilana fanaraha-maso akaiky. Vao afak'omaly Alarobia 25 Febroary harivariva ohatra dia nambarany fa voatery nalefa eny amin'ny hopitaly HJRA Ampefiloha indray i Fitahiana fa narary mafy. Notsiahiviny ihany koa fa vao nisy maty vokatr'iny fanapoizinana ara-tsakafo iny tao Ambohimalaza dia efa nitory izy ireo saingy tsy fantatra ny tohiny. Nanana mpisolovava koa izy ireo saingy tsy hay intsony ihany koa izay ho tohiny. Nanampy trotraka izany ny fiovan'ny mpitondra hoy izy araka Ilay fitenenana hoe: Miova sata dia miova andriana. Na izany aza anefa dia notsindrian'ny Maman'i Nombana fa efa in-droa nihaino azy ireo hatreto ny fitondrana mijoro ankehitriny tarihin'ny kolonely Randrianirina Mickaël. Vao afak'omaly Alarobia 25 Febroary ny fihaonana faharoa. Efa nisy ihany koa ny fanampiana toy ny fotsim-bary azon'izy ireo tamin'ny volana Desambra.
Pati
Légende : Izy no Maman'i Nombana namoy zanaka roa tamin'ny raharaha Ambohimalaza !
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap