airtel

Actualités

08-août-2025

Raharaha Ambohimalaza

Tafakatra 33 isa ireo namoy ny ainy

Sample post image

Tafakatra 33 isa omaly ireo namoy ny ainy tamin'ilay raharaha fanapoizinana ara-tsakafo

08-août-2025

nandritry ny fankalazàna tsingerintaona teny amin'ny trano filanonana iray teny Ambohimalaza ny 14 jona 2025 lasa teo, raha ny fampitàm-baovao voaray. Tovovavy antsoina hoe Jessica, avy eny Ikianja – Ambohimangakely, no namoy ny ainy omaly. Isan'ireo olona miisa 2 nanaraka fitsaboana farany teny amin'ny hopitaly HJRA ity nodimandry ity. Raha ny vaovao voaray teo anivon'ny fianakaviana dia efa nisy fotoana izy no nivoaka ny hopitaly dia naverina indray noho ny toe-pahasalamany niha sarotra. Ny filohan'ny repoblika, Andry Rajoelina, moa nilaza fa mpimasy na "Neny rabe" no tompon’antoka tamin’ny poizina nafafy nandritr’io lanonana ny 14 jona io. Tsy mety milaza ny fanefitr’ity aretina ity ve izany ilay ramatoa? Tafakatra 33 izany, raha ny tarehimarika ofisialy, ireo namoy ny ainy tamin’ity raharaha Ambohimalaza ity. Raharaha izay mbola manjavozavo amin’ny mpanara-baovao hatrany mandrak’androany aloha izy ity ary miandrandra indrindra ny hivoahan’ny tena marina momba izany ny fianakavian’ireo namoy ny ainy, raha iverenana hatrany.
J. Mirija 

Dans la même rubrique

10-sept-2026

Miahiahy sy miampanga olom-boafidy TGV ireo voakasika

Card image cap
10-sept-2026

tokony hahintsy ny fifidianana!»

Card image cap
10-sept-2026

ny volan’ny orinasan-dRajoelina

Card image cap
10-sept-2026

Niseho tamin’ny alalan’ny « visioconférence »

Card image cap
10-sept-2026

Hovitaina mialohan'ny faran'ny taona

Card image cap
09-sept-2026

rano fisotro madio tsy tapaka ny fanjakana

Card image cap