airtel

Actualités

26-févr-2026

RAHARAHA

TRANO PIRINTY FLM

Sample post image

Nahemotra amin'ny 05 Martsa indray ny fotoam-pitsarana

26-févr-2026

Omaly Alarobia 25 Febroary no tokony nandalo teny anivon'ny Fitsaràna miady amin'ny kolikoly na ny PAC etsy amin'ny 67ha ny mikasika ilay raharaha Trano Pirinty Loterana Malagasy. Fanadihadiana ireo olona voakasik'ilay fanodikodinam-bola tao amin'ity ivon-toerana ity no antony. Noho ny tsy fahatongavan ireo voarohirohy anefa dia nahemotra amin'ny 05 Martsa ho avy izao indray ny raharaha. Tsiahivina fa efa nisy ny olona naiditra am-ponja vonjimaika tamin'ity raharaha ity. Olona miisa 3 nitantana ny TPLM anefa no nahazo fahafahana vonjimaika ny iray ka lasa miteraka ahiahy amin'ireo mpiasa izany. Lasa lasibatra ireo 40 mianadahy mampiodina ny TPLM izay marihina fa vao avy nahavita fivoriambe. Ny karama sy ny fahafahany mitsabo tena ary ny CNAPS no tena olan'izy ireo. Andrasana araka izany izay mety ho tohin'ity raharaha ity ny 05 Martsa ho avy izao.
Nangonin'i Pati
Légende : Tokony niakatra teny anivon'ny PAC ny raharaha fa niihemotra indray !

 

 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

Fantantsika hatramin’izay fa ny

Card image cap
05-juin-2026

HCC raha mikotrika fanongam-panjakana"

Card image cap
05-juin-2026

ny asa no ifampitsarana!"

Card image cap
05-juin-2026

Voalohany Miisa 31 hatreto ireo Malagasy

Card image cap
05-juin-2026

mifototra amin’ny fahitsiana no tanjona

Card image cap
05-juin-2026

kolikoly amin'ny fampianarana

Card image cap