ambony sy ny mpisehatra amin’ny tontolo iainana ny teny amin’ny CCI Ivato omaly. Natomboka tamin’io fotoana io tamin’ny fomba ofisialy ny loabary an-dasy mikasika ny tontolo iainana eto Madagasikara ao amin’izao andron’ny fanavaozana izao. Mihapotika ny ala ary miharingana ny voahary mampiavaka ity Nosy ity. Misy ireo izay madiva ho lany tamingana noho ny fanao ratsin-draolombelona. Iray amin’ireny ny karazan-tsokatra izay tsy hita eto an-tany raha tsy any Atsimo ihany. Izy io no lohalaharana amin’ny karazam-biby be mpanondrana an-tsokosoko indrindra eto Madagasikara. Hisedra olana lehibe ny taranaka any aoriana raha mitohy ny fahasimban’ny tontolo iainana. Tsy maintsy atao ny aro riaka maintany mba hipetrahan’i Madagasikara lovainjafy araka ny teny filamatra nosafidiana. Raikitra, noho izany, ny fikaonandohan’ny mpisehatra rehetra izay eo ambany fitarihan’ny minisiteran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy. Tonga nanokatra ny fotoana ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny kôlônely Randrianirina Michaël, notronin’ny telo tamin’ireo mpanolontsaina avo efa-dahy. Hita teny an-toerana ihany koa ny praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama sy ny minisitra maromaro. Nanatrika ny fotoana torak’izany ny filohan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana, Rakotoarisoa Florent, sy ny filohan’ny Antenimierandoholona mpisolotoerana vonjimaika, Ndremanjary Jean André. Tsikaritra ho tsy tao anaty efitrano fivoriana kosa ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Randrianasoloniako Siteny. Tsy mbola hita nijoro niaraka tamin’ireo manampahefana rehetra ihany koa izy nandritra ny fotoana fakan-tsary fanao amin’ny fotoana toy izany. Nahagagagaga ny mpitazana sasany io fahambangana niharihary io. Saika teo hatrany anefa izy isaky ny misy ny an-kavoriambe toy ireny. Etsy an-daniny, niparitaka an-tambajotran-tserasera ny vaovao milaza fa tra-tehaka tamin’ny trafikan-tsokatra ny mpiara-miasa akaiky iray aminy. Mety misy fifandraisany amin’io raharaha io ve ny tsy fahitana azy teny amin’ny CCI Ivato omaly ?
Jean D.
Ireo manampahefana taorian'ny lanonam-panokafana ny fivoriambe momba ny tontolo iainana teny amin'ny CCI Ivato
Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»