airtel

Actualités

29-oct-2026

Saika hanatitra

kojakojan-dreniny

Sample post image

sy ny zandriny tany am-ponja

29-oct-2026

Matin'ny lozam-pifamoivoizana ny zanaky ny depiote Nina
Nindaosin'ny fahafatesana vokatry ny lozam-pifamoivoizana ny alin'ny talata hifoha omaly i Tanjona Nina na Rasta, zanaka lahin'ny depiote teo aloha Rahantanirina Lalao na Nina. Loza nitranga tany amin'ny RN4, teo amin'ny 100km tsy hidirana an'i Maevatanana raha avy any Mahajanga. Hanatitra kojakoja ilain-dreniny sy ny zandriny lahy izay mamita sazy ao amin'ny fonjan'i Maevatanana i Tanjona no izao tratry ny lozam-pifamoivoizana izao ka nitarika azy amin'ny fahafatesana. Misy vehivavy 2 voalaza fa naratra mafy ka tsaboina ao Maevatanana. Tsara no mampahatsiahy fa efa namoy zanaka vavy ihany koa ny depiote Nina. Izy sy ny zanany lahy iray kosa voaheloka higadra 5 taona sazy mihatra araka ny didim-pitsarana nivoaka ny 19 oktobra teo noho ny raharaha fitrandrahana volamena tsy ara-dalàna tao Maevatanana. Nahazo alalana hivoaka vonjimaika ny fonja mba hikarakara ny vata-mangatsiakan’ny zanany moa ny tenany. Naneho fisaorana sy fankasitrahana ny Fitondram-panjakana ny fianakaviany sy ireo mpiara-dia aminy, ary ireo namany mpanao politika ao Mahajanga. Mankahery azy sy ny fianakaviany manontolo satria tena mafy izany mandevin-janaka.
Toky R
 

Dans la même rubrique

29-oct-2026

Potehina i Gilles Daheron,

Card image cap
29-oct-2026

Nomen'ny HCC fahefana hanenjika ny PAC

Card image cap
29-oct-2026

tamin’ny 31 oktobra 1991»

Card image cap
28-oct-2026

Miampanga ny ZITAL sy milaza tsy

Card image cap
28-oct-2026

fanaovana dika mitovy…»

Card image cap
28-oct-2026

Voatonona Rajoelina sy Ntsay,

Card image cap