airtel

Actualités

11-mai-2026

SEHATRY NY ANGOVO

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

Sample post image

Nisaotra ireo mpiara-miasa sy

11-mai-2026

mpuara-miombon'antoka momba ny vahaolana angovo azo avy amin'ny masoandro ( solution solaire pour Madagascar) ny minisitry ny angovo sy ny akoran'afo RABEARIMANGA Radonirina Lucas,. Hita sy tsapa ny fahavononana hoy izy satria miisa 86 ny Mémorandums d'entente (MoU).voasonia avy amina mpamokatra angovo tsy miankina 39 sy mpaninjara angovo 21 .Ny 30 aprily 2026 lasa teo no namoahana ny MoU. Fiaraha-mientana lehibe manaporofo indray izao hoy ny minisitry ny angovo sy ny akoranafo fa mitovy fomba fijery ny maro ny amin'ny fampiroboroboana ny sehatry ny angovo eto Madagasikara sy ny faharesena lahatra fa mila hagainganina ny fahazoan'ny isan-tokantrano angovo maharitra, azo antoka ary mahasoa ny rehetra. Mahatratra 6 684,205 MWc ny fitambaran'ny tolotra vokatra angovo voaray ary sosokevitra ny amin'ny hanolorana batterie de stockage mahazaka hatrany amin'ny 5 868 MWh, Goavana ary tena zava-dehibe ho an'ny ho avin'ny famokarana sy fanapariahana angovo eto Madagasikara . Tafiditra ao anatin'izay mazava ho azy ny fanapariahana angovo any amin'ny tontolo ambanivohitra ka toerana telo no efa nahazoana tolotra dia Andaingo ao Aloatda Mangoro, toerana iray ho an'Analamanga ary toerana iray hafa any amin'ny faritra DIANA. Miara-miasa akaiky ny Minisitefan'ny angovo sy ny akoranafo, ny ADER ary ny JIRAMA amin'ny fandrafetana ireo antontan-taratasy antso tolobidy hanohizana ny asa.
Nangonin'i RTT
 

Dans la même rubrique

11-mai-2026

Miforitra anaty ny mponina, tahotra ireo Solontenam-panjakana

Card image cap
11-mai-2026

hazo voamboana 50 sy traktera 2 nogiazana

Card image cap
11-mai-2026

panjakana na teo aza ny disadisa….

Card image cap
11-mai-2026

Nifandimby ny lanonana tao amin’ny

Card image cap
11-mai-2026

sy kolontsaina tsy manam-paharoa"

Card image cap
11-mai-2026

Tovolahy mpianatra iray 24 taona

Card image cap