amin’izao fotoana izao ny filohan’ny sendika Mitafa Raherison Adel na Rams Mahatoky ». rehefa avy notazomina andro maromaro teny fiadanana , nalefa tany Tsiroanomandidy , notazomina tao amin’ny zandary nandritra ny 7 andro ary nalefa teny amin’ny PAC. Rehefa namoronana antontan-taratasy hahafahana mandetika azy, raha ny fitantarany. Raha iverenanana ny tantara dia nosamborina ity filohan’ny sendika Mitafa ity ny 3 febroary 2025 teo rehefa nikasa hanatanteraka fitokonana am-pilaminana teo anivon’ny ministeran’ny fanabeazanam-pirenena ho fangatahana ny fanatanterahana ny fampanantenana nataon’ny fanjakana hoan’ny mpampianatra mpanabe rehetra. HERISETRA Raha mbola tsy nanomboka akory ny fitokonana dia nosamborina tany amin’ny trano fandraisam-bahainy izay nitoerany ity mpitarika sendikaly ity sy ny solontena avy amin’ny Faritra miiisa roa niaraka taminy. Tsy nitsitsy ireo mpitandro filaminana raha ny fitantarany fa dia nikasi-tanana , nanompa sy nanao teny maharary maro « toy ireny olona nanao eloka be vava ireny no nandraisana anay tao samin’ny sampana miady amin’ny heloha be vava tao fiadanana » hoy ny fitantaran’ny filohan’ny sendika mitafa. Ny ampitson’io vao maraina izany hoe ny 04 febroary dia navoaka ireo mpikambana 2 ary tsy navela nijanona teto antananarivo fa tsy maintsy mody avy hatrany any amin’ny faritra niaviany. Tao anatin’izany raha ny fitantarany hatrany dia misy olona avy amin’ny ministera mifampiresaka amin’ireo mpitandro ny filaminana. Tsy fantatra mazava nandritra io fanadihadiana natao tao Fiadanana io izay tena lohampiampangana nanenjehana ireo sendikalista. Taorian’izay dia nialaza ireo mpitandro ny filaminana fa ho entina any mahasolo izay toeram-piasany ity filohan’ny sendika Mitafa ity « nihevitra aho hoy izy fa ho atao tahakan’ireo namako izay nalefa nody avy hatrany fa tsy mahazo mijanona eto antananarivo » kanjo dia nentin’izy ireo tao amin’ny kompanin’ny Zandary tao Tsiroanomandidy, nijanona kely tao dia nafindra tany amin’ny borigadin’ny zandary tao Tsiroanomandidy natao fanadihadiana sy notanana tao ambalam-pamonjana nandritra ny 7 ando. Nomarihin’ity filohan’ny sendika MITAFA ity fa baiko avy amin’ny tomponandraikitra avy amin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena avokoa ny dingana rehetra,satria na ny solotenan’ny ministera izay milaza ho mpitory aza reehefa nanontaniana teo anivon’ny Pac ny amin’ny mbola hitazonana ny fitoriana na tsia dia nilaza fa araka ny baiko no mbola hitazoanan’izy ireo izany.Nilaza ny tsy hihemotra moa ity sendika ity ary hanohy hatrany ny tolona ho fanatsarana ny tontolon’ny fanabeazana eto Madagasikara.
SOLOTIANA
Ny nosy Maorisy dia nitaky ny hamerenana amin’izy ireo ny nosy Chagos
Tafintohina amin’ny fanambarana nataon’ny Governemanta frantsay, tamin’ny alalan’ny Minisitra lefitra
Ny APIPA na Sampan-draharaha fiarovana amin’ny fiakaran’ny rano eto amin’ny lemak’Antananarivo
Anisan’ny fitaovana tena ilaina amin’ny resaka famonjena voina ny « drone ».
Nisy ny sabotsy teo, tetsy Ankorondrano, ny fanolorana fitaovam-piasàna ho an’ireo
Misy ifandraisany ny firongatry ny tsy fandriampahalemana sy ny fitotongan’ny