airtel

Actualités

26-févr-2026

TETIKASA «

E-WOMEN MARKET MADAGASCAR »

Sample post image

Hampiditra ireo vehivavy mpandraharaha ao anatin’ny tontolon’ny dizitaly

26-févr-2026

Afaka mitondra ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana ny ao an-tokantrano sy eo anivon’ny firenena ny vehivavy » hoy Ramatoa Bonnie Shariff, filoha mpanorona ny ONG ODIMA. Fikambanana iray misehatra amin’ny fiarovana ny zon’olombelona, ny « droit civile politique » ary ny « « droits sociaux économiques et culturels » ary manana tanjona ny hiady amin’ny fanakavahana samihafa, ny fahantrana, hampivoatra ny fitovian-jo eo amin’ny lahy sy ny vavy. Ho an’ny fitovian-jo ara-tsosialy sy ara-ekonomika dia vehivavy mpandraharaha miisa 30 avy an’i Toamasina sy Antananarivo no nisitraka fiofanana ho enti-mampiditra azy ireo ao anatin’ny tontolon’ny dizitaly, amin’ny alalan’ny tetikasa E-Women Market Madagascar, izay vatsian’ny vatsian’ny Fonds Canadien d’Initiatives Locales (FCIL) vola, ary tanterahan’ny ONG ODIMA. Nosafidiana manokana ny hanasongadina ny varotra an’habaka hoy Rtoa Bonnie Shariff, filoha mpanorona ny ONG ODIMA satria ny fiainana mivoatra foana ary mila manaraka ny onjan’ny fivoarana isika raha te hahazo tombony manokana amin’ny fandrosoana. Tanjona ny hananan’ireto vehivavy mpandraharaha ireto botika an’habaka (en ligne) sy hisoratan’izy ireo ara-panjakana ho an’ireo izay mbola tsy ao anatiny, mba ahafahany mivelatra bebe kokoa arak’asa, mahazo fihitarana bebe kokoa amin’ny resaka varotra sy amin’ny resaka fifandraisana ara-barotra. Hisy ny fanaraha-maso atao aorian’ny fiofanana ary ho ampidirina miaraka mankany amin’ny «plateforme » izay natokana manokana ho an’ity tetikasa ity ireto vehivavy mpandraharaha ireto.
LALAINA RAV
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap