airtel

Actualités

13-mars-2025

TOHOTOHOBATON’AMBONDRONA

"Court circuit" no nampirehitra ilay trano

Sample post image

Nitrangana haintrano omaly Alarobia 12 Martsa tokony ho tamin’ny 01 ora teo amin’ny

13-mars-2025

tohotohobaton’Ambondrona. Trano iray tsy misy rihana mitafo fanitso miorina afovoan-tanàna no fantatra fa nirehitra tamin’izany. Vao nanomboka ny afo dia niantso ny sampana mpamonjy voina ny manodidina ka vetivety dia voafehy ny afo. Tao anatin’ny 3 minitra monja mantsy dia tonga ireto farany raha 20 minitra teo ho eo no nifehezany ny afo. Raha araka ny loharanom-baovao azo moa dia cour circuit no niteraka ny firehetana koa hanaovan’ny sampana mpamonjy voina antso avo amin’ny rehetra mba samy hitandrina. Toraka izany koa ny fampiasana labozia amin’ny alina, ny jiro solitany…Nisy ihany moa ny ampahan’entana vitsivitsy may tao amin’ity tokantrano ity saingy tsy nisy kosa ny naratra na ny aina nafoy.
Pati
Legende : Nandritra ny famonoana ny afo nataon’ny sampana mpamonjy voina ! 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Mihamafy ny krizy ara-tsosialy amin’ny endriny maro : delestazy, fidangan’ny vidim-piainana,

Card image cap
22-mai-2025

Nolanian'ireo Solombavambahoaka tetsy amin'ny Antenimierampirenena Tsimbazaza omaly

Card image cap
22-mai-2025

Misy olom-panjakana mitsivalana, manaitra ny PRM sy PM » Henjana ny fifanolanana

Card image cap
22-mai-2025

An-taonany maro ny olan’ny rano etsy Andravoahangy, saingy tsy tena mbola mitoetra hatramin’izao.

Card image cap
22-mai-2025

Vehivavy iray 56 taona no sady tsara tarehy fantatra amin’ny anarana hoe :

Card image cap
21-mai-2025

Sahirana sy mikorapaka amin’ny tetikasa Base Toliara ny Fanjakana Rajoelina,

Card image cap