airtel

Actualités

23-avril-2026

Tovo Rakotojohary

«Mandroso ny kaominina miisa

Sample post image

1695 dia mandroso i Madagasikara»

23-avril-2026

Mitovy amin’ny miteny hoe demokrasia ihany raha miteny hoe fitsinjaràm-pahefàna, hoy ny talen’ny INDDL na ivontoeram-pirenena momba ny fampandrosoana sy fitsinjaràm-pahefàna teo aloha sady vaomieran’ny tontolo iainana eo anivon’ny fikaonandoha Kristianina amin’izao fotoana izao, Tovo Rakotojohary. Tsy tanjona io fa zavatra tiana apetraka nefa tsy voafaritra, hoy izy. Nisafidy ny fitsinjaràm-pahefàna i Madagasikara hanatanterahana ny atao hoe fampandrosoana ifotony. 20 taona mahery nampihatra izany isika ary nahatonga fanontaniana hatrany izany hoe tena misy ve ilay izy? Mila finiavana ilay izy ka heverina hoe hiaingàna amin’ny fakàn-kevitra momba izany ny fikaonandoham-pirenena. Politika raisin’ny mpitondra amin’ny vinany ny fitsinjaràm-pahefàna hahafahany mampandroso firenena. Ny fitsinjaràm-pahefàna faharoa dia ho an’ny mpanao politika satria fizaràna andraikitra politika saingy rehefa voazara ve ny andraikitra dia fitsinjaràm-pahefàna tokoa avy eo ny asa ataon’izy ireo? Anivon’ny kaominina dia efa azo anaovana fakàn-kevitra. Iny avy eo no aravina dia entina anivon’ny distrika. Miakatra anivon’ny faritra izay avy eo dia mankany anivon’ny sehatra nasionaly. Idirana amin’ny repoblika manaraka izay avy eo saingy tsy manakana ny fitsinjaràm-pahefàna ho an’ny fampandrosoana ifotony. Efa misy zavatra mipetraka natao arahina fotsiny tsinona eo. Raha tena te hanova rafitra isika ka hanova ny olona rehetra dia sarotra. Raha hiresaka fotsiny isika hoe mpiasam-panjakàna dia tsy manaraka afa-tsy izay baikon’ny mpitondra tonga eo izy na iza io na iza. Ny rafitra militera nanipy baomba mandatsa-dranomaso farany teo ihany no nanenjika ny mpitolona tamin’ny andron’ny FRS. Ireny ihany no nanenjika ny UNDD. Ireny ihany no nampiasaina tamin’ny 2002 na 2009 sy ny hafa rehetra. Tokony mametraka rafitra mamaritra mazava ny tena andraikitr’ireo mpitandro filaminana isan-tokony, noho izany, ny fitondràna mijoro. Ohatran’ny ahoana marina ilay hoe miaro ny vahoaka sy ny fananany? Trosa nidirantsika daholo satria famantsiana avy any ivelany ny asa natao teto rehetra fa tsy hoe ny mpitondra nandalo tamin’ny fotoana nanamboarana azy no nanao azy. Rahoviana izany isika vao hanana tetikasa fampandrosoana amin’ny alalan’ny volantsika madio anatin’ny kitapom-bolan’ireo rafitra itsinjaràm-pahefàna misy eto amin’ny firenena? Raha mandroso ny kaominina miisa 1695 dia mandroso i Madagasikara fa tsy hoe miankina amina minisitra na minisitera fotsiny io. Ny lalàna 2014-018 sy 2014-020 dia efa mamaritra ny andraikitry ny fokonolona anatin’ny rafitra itsinjaràm-pahefàna saingy tsy manatanteraka izany ireo ben’ny tanàna, hoy hatrany izy.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-avril-2026

raha tsy mifampiresaka»

Card image cap
23-avril-2026

Nisokatra tamim-pomba ofisialy

Card image cap
23-avril-2026

Notoloran'ny Ministera masomboly ny kaominina Ampitatafika

Card image cap
22-avril-2026

ENEAM fa mety hampidi-doza…

Card image cap
22-avril-2026

Avelao aloha hiasa ny Filohan'ny

Card image cap