airtel

Actualités

28-janv-2026

Trano fivarotana kojakojan-trano may

Entana mitentina an-tapitrisany

Sample post image

fongana tsy nisy noraisina

28-janv-2026

Tranom-barotra mpivarotra karazana kojakoja fanamboaran-trano no fantatra fa nirehitra ny datin'ny 26 Janoary teo tokony ho tamin'ny 3 ora folak'andro tao Ampahimanga. Zandary manao fisafoana no nahatsikaritra setroka mainty be avy ao anatin'ny tranom-barotra ka niditra haingana nizaha ny zava-misy tao amin'ny trano fitehirizana entana. Nifanome tanana ny vahoaka sy ny zandary namono ny afo ka naharitra ora iray sy 20 minitra vao voafehy ny afo. Nahitana fahasimbana betsaka ny entana tao anatiny. Vokatry ny fifohana sigara teo ambony moto tao anaty magazay no niteraka ny fahamaizana. Nanary bôrka kely fotsiny ny olona dia nijolofotra be ny afo. Tsiahivina moa fa tsy azo hatao ny mifoka sigara ao anaty trano fivarotan-kazo, masinin-kazo.Ny trano fitehirizana sy fivarotana solika, menaka motera, menaka fiara, menaka, entona (gaz), loko.Ny trano fanaovana taratasy, lamba, akora mora mirehitra.Ny birao fiasana mihidy anaty rindrina, ny toerana vory vahoaka na maro olona. Ny ao anaty fiara fitateram-bahoaka na fiaran'ny tena manokana koa.
Pati
Légende : Ireo karazana kojakoja may tao amin'ilay tranom-barotra !
 

Dans la même rubrique

10-sept-2026

Miahiahy sy miampanga olom-boafidy TGV ireo voakasika

Card image cap
10-sept-2026

tokony hahintsy ny fifidianana!»

Card image cap
10-sept-2026

ny volan’ny orinasan-dRajoelina

Card image cap
10-sept-2026

Niseho tamin’ny alalan’ny « visioconférence »

Card image cap
10-sept-2026

Hovitaina mialohan'ny faran'ny taona

Card image cap
09-sept-2026

rano fisotro madio tsy tapaka ny fanjakana

Card image cap