airtel

Actualités

08-août-2025

Tranparency International-Initiative Madagascar

"Anjakan’ny kolikoly sy hosoka ny fanaovana diplaoma eto"

Sample post image

Saika kolikoly avokoa no ambadiky ny fangalana diplaoma hosika eto Madagasikara hoy

08-août-2025

Liantsoa RAKOTOARIVELO tompon’andraikitra eo anivon’ny ’Transparency International – Initiative Madagascar (TIMG). Fantatra izany taoriana ny tombana mahakasika ny loza hateraky ny kolikoly eo amin’ny sehatry ny fanabeazana eto Madagasikara nataon’ny ‘’Transparency International – Initiative Madagascar », niaraka tamin’ny tetikasa « MIARINA » sy ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Manjaka ny kolikoly ara-bola sy ara-pananahana eo amin’ny sehatry ny fanabeazana eto Madagasikara. Ny filohan’ny oniversite no isany mpanao azy raha ny valinteny azo avy amin’ny olona 4800 nohadihadiana nanarenana ny faritra Analamanga, Atsinanana, Diana, Haute Mahatsiatra, Atsimo andrefana, Boeny ary Anosy izay ahitana mpianatra, Ray aman-drenin ‘ny mpianatra ary mpampianatra. Mangataka ny ampiharana ny paikady ara-politika iadiana amin’ny kolikoly eo amin’ny sehatry ny fanabeazana izy ireo satria toa lasa resa-be fotsiny ilay izy. Nisy moa ny vahaolana naroson’ny ’Transparency International » ka isan’izany ny tokony hametrahana « centre d’écoute » mba ahafahan’ny olona manao fitorohana.
Lalaina RAv 

Dans la même rubrique

18-févr-2026

Misy ny fiomanan’ny kolonely Michaël Randrianirina

Card image cap
18-févr-2026

Nidina an-dalambe nanao fihetsiketsehana

Card image cap
18-févr-2026

Manohy ny fanoloran-tenany amin'ny

Card image cap
17-févr-2026

vitan’ny hafa ve tsy ho vitantsika,

Card image cap