airtel

Actualités

03-nov-2025

Vidin-Tsolika

Tsy niova ny lasantsy, nidina 150Ar

Sample post image

Toy ny isam-bolana, nisy fiovana

03-nov-2025

indray ny vidin-tsolika nanomboka ny 01 novambra teo. Tafiditra ao anatin’ny fepetra fanavaozana mandeha ho azy ny vidin-tsolika eto Madagasikara na « Mécanisme d’ajustement automatique du prix des carburants ». Araka ny kajy sy tarehimarika navoakan’ny Ofisy Malagasy misahana ny akoran’afo na ny OMH, tsy niova ny lasantsy fa mijanona ho 5060Ar ny litatra. Nisy fidinany 150Ar kosa ny gazoala, ka 4.550Ar/L ankehitriny raha 4700Ar teo aloha. Nisy fidinany 70Ar ihany koa ny solika fandrehitra, ka lasa 3400Ar ny liatra raha 3470Ar teo aloha. Azo lazaina ho zava-dehibe aloha io indrindra ho an’ny gazoala ka irariana mba tsy sanatria hisy fiakarana midangana aoriana. Asa manao ahoana ihany koa ny mety ho mbola fisiana kaonty mifampiditra eo amin’ny Fanjakana sy ny mpandraharahan’ny solika, indrindra taorian’ny fiovan’ny Fitondrana ? Tahaka izany ihany koa ny fifanarahana manodidina ny Jirama na eo amin’ny lafiny famatsiana solika na ny famatsiana angovo ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

Fantantsika hatramin’izay fa ny

Card image cap
05-juin-2026

HCC raha mikotrika fanongam-panjakana"

Card image cap
05-juin-2026

ny asa no ifampitsarana!"

Card image cap
05-juin-2026

Voalohany Miisa 31 hatreto ireo Malagasy

Card image cap
05-juin-2026

mifototra amin’ny fahitsiana no tanjona

Card image cap
05-juin-2026

kolikoly amin'ny fampianarana

Card image cap