Manomboka tazana sy mameno tsena amin'izao fotoana izao ireo mpivarotra sainam-pirenena. Nanomboka tamin'ny fiandohan'ny volana Jona teo no nampahazo vahana azy ireny izay fantatra fa mpiantoka ny ankamaroany. Efa nanao asa hafa toy ny fivarotana lasary mandehandeha ihany koa, mahavita dia an-tongotra 10 km isan'andro raha kely. Raha tsy izay mantsy dia tsy mahalafo hoy ny Raim-pianakaviana mpivarotra iray. Efa be loatra hoy hatrany ny fanazavana ireo mpifaninana indrindra fa ny eo Analakely sy ny manodidina. Voatery mitady toeran-kafa ireo mpivarotra sainam-pirenena hafa noho izany ka manenjika ivelan'ny renivohitra sy hatrany an'elakelantrano mihitsy. 3.000 Ar no vidiny farany ambany indrindra raha tafakatra 20.000 Ar no lafo indrindra. Fanao amin'ny biraom-panjakana ireto farany amin'ny ankapobeny. Na izany aza mbola tsy tena mandeha ny tsena. Marihina moa fa efa mizotra araka ny tokony ho izy ny fanentanana ny olona mba hanangan-tsaina amin'izao eny anivon'ny Fokontany sy kaominina maro samihafa eny. Mihamitombo araka izany ireo tazana manangan-tsaina na dia eny an'elakelantrano any aza.
Pati
Légende : Be mpividy ihany ny sainam-pirenena eny an-tsena !
Haverina ny lanjan’ny fampianarana teknika », hoy ny Minisitra Todisoa