Filohan'ny Vovonana misehatra amin'ny fanodinana vokatra Ravintsara eto amintsika. Nambarany fa tsy mijanona amin'ny ady hatao amin'ny viriosy fotsiny ny fampiasana ny vokatra Ravintsara, indrindra amin'izao vanim-potoanan'ny ririnina izao fa azo hikarakarana ny endrika amam-bika sy ny fahasalamana ihany koa. Ho an'ity farany manokana dia mbola manoro hevitra hatrany ny rehetra indrindra fa ny tanora Rtoa Alice Razafinakanga mikasika ny tokony fampiasana ny evoka sy ny otra ary ny fisotroana tambavy izay nampahalaza ny Ntaolo fahiny. Azo hatao amin'ny alalan'ny fampiasana ny vokatra Ravintsara avokoa izany rehetra izany hoy izy. Ny tambavy ohatra dia nomarihiny fa azo hatao amin'ny alalan'ny dite Ravintsara...Mikasika ny fikarakarana ny endrika amam-bika indray dia nambarany fa efa misy ny savony sy ny creme ary ny lotion fanasana tarehy natokana ho an'ny tovovavy sy ny vehivavy vokarin'izy ireo. Anisan'ny mandray anjara feno amin'ilay hetsika Fiermada tanterahina etsy amin'ny kianjan'i Maki Andohatapenaka ity Vovonana iray ity.
Pati
Légende : Rtoa Alice Razafinakanga, angady nanana ny fampiasana ny vokatra Ravintsara eto amintsika !
fanakorontanana sy tranga misesy fa efa vita kajy !
Ny servisy momba ny fitaovam-piadiana no tena lasibatra
Mariky ny fitiavana olona iray ny fanolorana