airtel

Actualités

16-févr-2024

Zo Randriamaro

«Olana ngezabe mipetraka amin’ny firenena manontolo ity resaka fananan-tany ity»

Sample post image

Vao mainka hampitombo ny tahan’ny «radioactivité» ny fitrandrahana Monazite,

16-févr-2024

izay kasaina hamerenana ny tetikasa Base Toliara, hoy ny mpikamban’ny fiarahamonim-pirenena CRAD-OI, Zo Randriamaro, izay nanao fidinana ifotony tany an-toerana. Isan’ny antony nandavan’ireo mponina ao an-toerana hanaovana tetikasa izany, hoy izy. Rehefa mitrandraka fasimainty dia tsy maintsy misy monazite mivoaka foana miaraka aminy ary ahitana tahana «radioactivité» mampiahiahy. Nilaza mazava moa izao i Base Toliara fa tsy vitan’ny hoe hiverina hitrandraka fasimainty izy na tsy manaiky aza ny vahoaka maro an’isa fa ho ampiany monazite koa ary ho trandrahana manokana mihitsy ny monazite. Fantantsika ny zava-nisy tany Taolagnaro mikasika ny QMM. Nitrandraka monazite koa ireo dia ireny hitantsika ireny hoe ny rano voapoizina, ny olona tratry ny aretina hafahafa maro, misy tratry ny fahasembanana sy ny toy izany. Rehefa natao, hono, ny kajikajy ka ohatra hoe 1 miliara Dolara ny tombom-barotra andrasany tamin’ny fitrandrahana fasimainty dia avo roa heny izay raha ampiana monazite. Efa mieboebo be iraky ny aterineto any ireo satria miantso mpamatsy vola koa hametraka petra-bola amin’io fitrandrahana monazite tiany ho atao io. Adidinay amin’ny maha mpiaro ny zon’olombelona anay sy ny fijoroanay hatramin’ny voalohany hiaro ireo vahoaka ireo sy hanampy azy hiatrika ny loza mananontanona dia nidina ifotony izahay nampahafantatra ny olona mikasika io fitrandrahana kasaina atao io. Ao amin’ny lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany vaovao dia mipetraka mazava ho azy fa raha ohatra ka misy tany ilaina tetikasa fitrandrahana harena an-kibon’ny tany dia na mandà aza ny vahoaka dia ho ampiharina ny atao hoe «Déclaration d’utilité publique» na fampahafantarana fa ilain’ny fanjakana ny tany. Ho alaina izany ny tanin’ireo olona ireo na manaiky izy na tsia. Tsy nisy mba niteny an’izay lalàna vaovao izay tamin’ireo vahoaka ireo mihitsy na ny kely aza. Zony nefa ny hampahafantarina momba izany. Ny tena loza dia niova koa izany ny lalàna momba ny fananan-tany. Indrindra ny lalàna momba ny hoe tany misy tompony nefa tsy misy titra na «Propriété privé non titré». Tamin’ny herintaona io no niova. Izay olona rehetra tsy manana titra na karatany amin’ny taniny ka tratran’ilay «déclaration d’utilité publique» dia tsy mahazo onitra na ny Ariary aza. Nanontaniana nefa ny olona nanaovanay fidinana ifotony farany teo hoe firy aminareo no manana titra na karatany? Tsy misy manana na iray aza. Izany no ankabeazan’ny olona any ambanivohitra any. Tsy hahazo izany na ny Ariary aza izay olona ho tratran’io fampahafantarana hoe ilain’ny fanjakana ny taniny io. Ny 90%n’ny vahoaka eto nefa angamba dia toy izay. Ho alaina ny taniny ary tsy hahazo izy na ny Ariary aza dia ho aiza. Olana ngezabe mipetraka amin’ny firenena manontolo ity resaka fananan-tany ity, hoy hatrany ny tenany?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

08-mai-2024

ny fifidianana solombavambahoaka isika manomboka anio.

Card image cap
08-mai-2024

Niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera omaly ny horonantsary sy resaka naneho raim-pianankaviana antsoina hoe R….

Card image cap
08-mai-2024

Olona am-polony no naiditra am-ponja vonjimaika any Maroantsetra noho ny resaka lavanila,

Card image cap
08-mai-2024

Nahazo vahana tato ho ato ireo olona na andian'olona mampiasa kaonty sandoka (compte fake)

Card image cap
08-mai-2024

Iray volana mahery eo ho eo sisa dia hiditra tanteraka ao anatin’ny vakansy

Card image cap
08-mai-2024

Sambo Sri-lankais miisa roa no fantatra fa nanjono an-tsokosoko taty amin’ny

Card image cap