airtel

Actualités

12-mai-2026

ROVAN' AMBOHIDRATRIMO

Hanomboka tsy ho ela ny

Sample post image

asa fanarenana Hanomboka tsy ho

12-mai-2026

ela ny Fanarenana ny Rovan'Ambohidratrimo. Taorian'ny fidinana ifotony nataon'ny teo anivon'ny Ministeran'ny Serasera sy ny kolontsaina ary ny Faritra Analamanga mantsy dia nambaran'ny Ben'ny tanana Raherimanantsoa Feno fa nanao tohivakana ny fivoriana notanterahin'ireo mpahay fomba sy mpitazona ny hasina ao amin'ity kaominîna iray ity. Amin'ny maha-vakom-pirenena sy zava-manan-kasina ny Rovan'Ambohidratrimo mantsy dia nambarany fa tsy hataotao foana ny mikitika azy io fa tsy maintsy misy fombafomba hatao. Vohitra masina rahateo io hoy izy ka ilana fitandremana be. Na izany aza anefa dia nomarihiny manokana fa tsy mitazam-potsiny ny kaominîna sy ny Fitondram-panjakana tarihin'ny Kolonely Randrianirina Mickaël fa mifanome tanana amin'ny fanarenana Rovan'Ambohidratrimo amin'ny laoniny. Tanjon'ny roa tonta rahateo ny hahatonga ny vakom-pirenena tahaka itony ho voaaro sy hananana ny hasiny, tsy sanatria ho voazimbazimba sy hataon'ny sasany tsinontsinona.
Pati
Légende : Ny Ben'ny tananan'ny kaominîna Ambohidratrimo Feno Raherimanantsoa !
 

Dans la même rubrique

12-mai-2026

Raitritra indray ny fanoherana fandaminana

Card image cap
12-mai-2026

be, fikasihan-tanana,… » Voarohirohy

Card image cap
12-mai-2026

Diso izany! Ny havany aza nisaotra ny Fitondram-panjakana »

Card image cap
12-mai-2026

Hanamboatra tsena vaovao ny Ben'ny tananan'i Bemasoandro

Card image cap
12-mai-2026

isan'andro eto amin'ny Tia Tanindrazana

Card image cap