airtel

Actualités

21-juil-2026

Famahana ny krizy

eto Madagasikara Mitondra ny anjara birikiny ny SIAP

Sample post image

Feno herintaona izao ny SIAP

21-juil-2026

Sehatra Ifanakalozana Anatsarana Politika), sehatra iray mampivondrona antoko politika manodidina ny 40 mba hifanakalozan-kevitra am-pilaminana momba ny raharaham-pirenena eto Madagasikara. Isany mpikambana mpandrindra ao ny ILO Mada, tarihin'i Andrinarimalala Heritiana na Mahery Miller. Sady tsy antoko politika na vondrona politika no tsy fikambanana ny SIAP, fa sehatra malalaka ifanakalozan-kevitra, izay mampiroborobo ny fifampihainoana, ny fifanajana ary ny fananganana vahaolana iombonana ho an'ny firenena. Nifampidinika matetika tamin'ireo solonten'ny Vondrona Afrikanina sy ny SADC ary ny FFKM ny SIAP, ary efa nisy ihany koa ny fihaonana tamin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, Kolonely Randrianirina Michaël, nifampidinika sy nifanakalo hevitra entina hamahana haingana ny firenena ao anaty krizy sy hahafahana mikarakara fifidianana madio sy eken'ny rehetra. Na samy manana ny foto-kevitra sy ny firehana politika aza ireo antoko mpikambana, dia iray ny tanjona iraisana dia ny fikatsahana ny fampandrosoana maharitra an'i Madagasikara ho tombontsoan'ny Vahoaka Malagasy Nifamotoana teny Ambohijanahary moa ireo mpikambana ny faran'ny herinandro teo nanamarika ny faha herintaona nijoroan'ny SIAP ity.
Jean D.

Fihaonana nanamarihana ny tsingerintaona voalohany niorenan'ny SIAP
 

Dans la même rubrique

21-oct-2026

Natsikafon’ny PRRM fa

Card image cap
21-oct-2026

Mankaleo ilay kolikoly ! Soloy sy fongory izay tsy manjary !»

Card image cap
21-oct-2026

Mety hiteraka fahafatesana tampoka fa mba hamarino ! »

Card image cap
21-oct-2026

toavintsika ny fanajariana sy fananantany

Card image cap
21-oct-2026

olona hiara-kiasa aminy ny

Card image cap
21-oct-2026

Mbola lehibe ny fanamby hampisitraka

Card image cap