airtel

Actualités

21-juil-2026

Famahana ny krizy

eto Madagasikara Mitondra ny anjara birikiny ny SIAP

Sample post image

Feno herintaona izao ny SIAP

21-juil-2026

Sehatra Ifanakalozana Anatsarana Politika), sehatra iray mampivondrona antoko politika manodidina ny 40 mba hifanakalozan-kevitra am-pilaminana momba ny raharaham-pirenena eto Madagasikara. Isany mpikambana mpandrindra ao ny ILO Mada, tarihin'i Andrinarimalala Heritiana na Mahery Miller. Sady tsy antoko politika na vondrona politika no tsy fikambanana ny SIAP, fa sehatra malalaka ifanakalozan-kevitra, izay mampiroborobo ny fifampihainoana, ny fifanajana ary ny fananganana vahaolana iombonana ho an'ny firenena. Nifampidinika matetika tamin'ireo solonten'ny Vondrona Afrikanina sy ny SADC ary ny FFKM ny SIAP, ary efa nisy ihany koa ny fihaonana tamin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, Kolonely Randrianirina Michaël, nifampidinika sy nifanakalo hevitra entina hamahana haingana ny firenena ao anaty krizy sy hahafahana mikarakara fifidianana madio sy eken'ny rehetra. Na samy manana ny foto-kevitra sy ny firehana politika aza ireo antoko mpikambana, dia iray ny tanjona iraisana dia ny fikatsahana ny fampandrosoana maharitra an'i Madagasikara ho tombontsoan'ny Vahoaka Malagasy Nifamotoana teny Ambohijanahary moa ireo mpikambana ny faran'ny herinandro teo nanamarika ny faha herintaona nijoroan'ny SIAP ity.
Jean D.

Fihaonana nanamarihana ny tsingerintaona voalohany niorenan'ny SIAP
 

Dans la même rubrique

11-sept-2026

Hivaly ny 12 oktobra ny fangatahan-dRavatomanga

Card image cap
10-sept-2026

Miahiahy sy miampanga olom-boafidy TGV ireo voakasika

Card image cap
10-sept-2026

tokony hahintsy ny fifidianana!»

Card image cap
10-sept-2026

ny volan’ny orinasan-dRajoelina

Card image cap
10-sept-2026

Niseho tamin’ny alalan’ny « visioconférence »

Card image cap
10-sept-2026

Hovitaina mialohan'ny faran'ny taona

Card image cap