airtel

Actualités

21-oct-2026

Olona maro efa

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Sample post image

Natsikafon’ny PRRM fa

21-oct-2026

pasoara eto, tsy azo itokisana ny rafitra
Mbola mandeha ny fanadihadiana, ary misy toerana iray nanankinan’ny PRRM azy izay tsy fantatry ny rehetra. Izy tenany mivantana no manara-maso an’io, misy olona alaina am-bavany, misy polisy alaina am-bavany,… ka miandry ny vokatr’io. Efa misy anarana maro azo, fa ao anatin’izany dia misy 2 indray ihany koa fa efa navoaka, saingy rehefa hita fa saika hampitsoahana satria hita fa nisy pasipaoro dia nosamborina haingana naverina any Avaradrano. Efa voatazona, ary tazonina, asaina manonona ny namany Malagasy hoe ireto sy ireto ny namanay. Ho an’ny PRRM, vao hita fa sinoa mpanao « scamming », dia tonga dia lavina tsy hiditra eto, fa efa tsy atokisana intsony ny rafitra mpanao fanadihadiana. Mbola ady hevitra be hoe alefaso aty atao fanadihadiana, toy ny olona mirangorango mahita sakafo daholo, hoy ny PRRM. Tsy nitsitsy ny PRRM fa pasoara ny seranam-piaramanidina, mivoaka ohatran’ny olona handeha hanao baolina na handeha hanao fizahantany,… Tsy misy fanontaniana, tsy misy na inona na inona, na koa mety nisy fanontaniana satria nojerena ny video. « Hitako fa misy olona ao aminareo ao amin’ny PAF miantso olona dia misy olona mibaiko ianareo dia lasa io », hoy ny PRRM. Tamin’ny alina misy sinoa roa ambenana mpiasa ao amin’ny CIS, hoy izy omaly. Amin’ny 2 ora maraina no antsoin’ny zandary hoe misy sinoa mitonona ho olona nasain’ny PRRM. Izaho tsy nanasa sinoa, ao Fiadanana ireo izao, ka miandry ny fanadihadiana hoe inona no mahatonga ny mpikamban’ny CIS (Centre d'Intelligence Service) miambina azy. Ny fanadihadiana nataon’ny PRRM dia olona mpitondratondra entana ao amin’ny seranam-piaramanidina. « Raha vao misy olona mitonona sy mampiasa ny anarako tonga dia sambory na iza na iza dia rehefa avy eo izay vao manamarina hoe ny Fiadidian’ny Repoblika tokoa no naniraka azy », hoy ny PRRM namerina nampitandrina ny fampiasana ny anarany amin’ny resaka kolikoly sy fananaraotam-pahefana.
Toky R

 

 

Dans la même rubrique

21-oct-2026

Mankaleo ilay kolikoly ! Soloy sy fongory izay tsy manjary !»

Card image cap
21-oct-2026

Mety hiteraka fahafatesana tampoka fa mba hamarino ! »

Card image cap
21-oct-2026

toavintsika ny fanajariana sy fananantany

Card image cap
21-oct-2026

olona hiara-kiasa aminy ny

Card image cap
21-oct-2026

Mbola lehibe ny fanamby hampisitraka

Card image cap
20-oct-2026

tsy mazava amin’ny mpisehatra

Card image cap