Prefektiora Antsirabe, omaly, nanendry ny Lefitra fahatelon'ny Ben'ny tanàna hitantana vonjimaika ny Kaominina Ambonivohitra Antsirabe, Renivohitry ny Faritra Vakinankaratra manoloana ny fahabangan-toerana taorian'ny nahafatesan'ny Lefitra voalohany sady Ben'ny tanàna mpisolo toerana kolonely Rakotoson Rolland, ny sabotsy 18 jolay teo rehefa nolazoin'ny aretina fotoana naharitra, nefa ny Ben'ny tanàna Dr Rasamimanana Honoré Gabriel (Dr Unoh) efa nametra-pialana ny 11 Mey 2026, taorian'ny fanovana teto amin'ny firenena. Ny Lefitra faharoan'ny Ben'ny tanàna anefa voatendry hisahana andraikitra any an-toerankafa. Antsirabe ihany koa dia tsy manana Sekretera jeneraly rehefa nirotsaka hofidiana ka lany ho Mpanolotsaina Monisipaly ao Antsirabe ary lasa filohan'io rafitra io ankehitriny. Vokany, olon-tokana no mitantana ny tananan'Antsirabe, mandra-pisy fanendrena Delegasiona manokana. Mandalo fotoan-tsarotra araka izany ny fitantanana ny Kaominina Ambonivohitra Antsirabe. Tsy ho voasahan'olon-tokana na ny fampandehanan-draharaha ao amin'ny Kaominina fotsiny aza. Voafetra rahateo ny asa azony atao, mba tsy hilazana fa tsy mahefa ara-pitantanana indrindra amin'ny lafiny ara-bola. Manomboka sahirana amin'ny fandraofana fako izao ny Kaominina nefa vanim-potoana fialantsasatra izao. Sahirana amin'ny fandoavana karaman'ny mpiasa sy ny an'ireo mpamatsy fitaovana iasana ihany koa. Ny sabotsy 20 jona 2026 nandritra ilay hetsika Fanadiovana Faobe natao nanerana ny Nosy no efa nandeha ny feo fa tsy ho ela ny fanendrena ny PDS hitantana ny Kaominina Ambonivohitra Antsirabe. Iray volana aty aoriana, tsy mbola nisy fanendrena. Vonjeo Antsirabe hoy ny mpiasa, fa aza avela hanjakan'ny gaboraraka sy ny kolikoly.
Jean D.