Nilaza ofisialy ny JIRAMA fa voatery nampihatra indray ny fahatapahan-jiro mifandimby ao amin’ny Tambazotra Iraisan’Antananarivo noho ny fihenan’ny famokarana herinaratra hatramin’ny 25 MW. Araka ny fanazavan’ny orinasa, vokatry ny fahataran’ny famatsiana solika ho an’ireo milina mpamokatra ao amin’ny tobim-pamokarana mafana (TAC) Ambohimanambola izany. Etsy ankilany, nihena be ihany koa ny haavon’ny rano ao amin’ny tohodranon’Andekaleka ka nidina hatrany amin’ny ambaratonga fanairana farany ambany (358,5 m), ka voatery najanona ny milina roa mpamokatra herinaratra. Vokatry ny olana roa sosona, hisy fahatapahan-jiro mifandimby hatramin’ny amin’ny 5 ora sy sasany hariva, ary haharitra adiny iray sy sasany isaky ny faritra voakasika. Misy ny amin'ny 2ora tolakandro hatramin'ny 3ora sy sasany tolakandro. Nilaza ny JIRAMA fa efa mitady vahaolana hanarenana ny famatsiana herinaratra izy, anisan’izany ny fandatsahana orana artifisialy kasaina hatao eny amin’ny farihin’Andekaleka mandritra ny faran’ny herinandro sy fiandohan’ny herinandro ho avy, raha toa ka mahafeno ny fepetra ara-teknika sy ara-toetr’andro izany.Manentana ny mpanjifa hanaraka ny vaovao ofisialy amin’ireo fantsona fifandraisana ny JIRAMA, sady mangataka faharetana manoloana ny fikorontanan’ny famatsiana herinaratra.
MISY FIFANENJANANA?
Tsara ny manamarika fa nisy fanambarana nataon'ny Filoham-panjakana Kolonely Randrianirina Michael ny alatsinainy teo niantefa tamin'ny orinasa tsy miankina ENELEC izay tsy vao sambany. "Rehefa tsy hiasa eto ny ENELEC dia mialà", hoy izy hentitra. Nampitandrina sy nanome herinandro ny orinasa ENELEC, hanatanterahan'ity farany izay nifanarahana tamin'ny Jirama amin'ny famatsiana herinaratra ao Antsiranana, Mahajanga ary Toamasina. Ny mahagaga, hoy izy, rehefa manampy gropy ho an'ny Jirama ny fanjakana dia mampihena ny herinaratra vokariny ny ENELEC nefa tsy miova ny vola tsy maintsy efain'ny Jirama amin'io orinasa io. "Androany aho dia mampitandrina ny ENELEC : Madagasikara dia an'ny Malagasy. Rehefa tsy hiasa eto Madagasikara izy dia miala", hoy ny kolonely Randrianirina Michaël. Asa misy ifandraisany amin'izany ve fa miitatra hatramin'Antananarivo ny olana? Andaniny, namoaka serasera ofisialy ny ENELEC, naneho fa misy olana ara-teknika lehibe tao amin’ireo tobim-pamokarana herinaratra sasantsasany tantanin’ny ENELEC. Nitsotra fa mahafantatra ny fahasahiranana ateraky ny tsy fahatomombanana amin'ny mpanjifa, ka efa nirotsaka avy hatrany ny ekipa teknika, niara-niasa akaiky tamin’ny JIRAMA mba hahafahan’ny mponina manohy misitraka herinaratra araka izay azo atao. ENELEC dia mandray am-panajana ny ahiahy nambaran’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika mikasika ny fahatapahan-jiro, ary manamafy fa mikatroka andro aman’alina ny mpiara-miasa rehetra mba hamahana haingana ireo olana sy hampitomboana ny famokarana, hoy ny fanambarana. Orinasa malagasy mandray andraikitra hatrany i ENELEC, mifanome tanana amin’ny vahoaka amin’ny fotoan-tsarotra, tahaka ny efa natao nandritra ny fandalovan’ny rivodoza Gezani, hoy ity orinasa ity. Asa izay mety fivoaran'ny fifanenjanana na ny fifanomezan-toky fa ny hita aloha dia somary mafana indray ny raharaha famatsiana angovo. Ahiana ho mifamatotra amin'ny olana maro : teknika, ekonomika, stratejika, politika, ary jeopolitika. Manamafy fa mila manome lanja ny fizankan-tenany ara-angovo i Madagasikara, ary mila mitodika hatrany amin'ny angovo azo havaozina mba hampihena ny mason-karenan'ny famokarana,...
Toky R