Manasongadina ny fitomboan’ny vola alefan’ny diaspora afrikanina ho any amin’ny fireneny FIDA (Fonds international de développement agricole) dia. Tamin’ny taona 2025, tombanana ho 124 miliara dolara izany, izay nisy fitomboana 86% tao anatin’ny folo taona, raha ny tatitra. Egypte sy Nigeria no tena mpandray anjara lehibe, nahazo 41,5 miliara sy 22,8 miliara dolara tsirairay avy. Manaraka azy i Maroc (13,7 miliara), Ethiopie (7,1 miliara) ary Kenya (5 miliara). Nahazo ny manodidina ny telo ampahefatry ny vola niditra rehetra ireo Firenena 5 ireo. Ho an’i Madagasikara kosa, tombanana ho 406 tapitrisa dolara ny vola nampidirin’ireo diapora tamin’ny 2025, mitovy amin’ny 10% amin’ny fanondranana sy 2% amin’ny harin-karena faobe na PIB. Nitombo 36% ny vola niditra raha oharina amin’ny vanim-potoana teo aloha. Na izany aza, mbola lavitra ny haavon’ny firenena hafa any Afrika Atsinanana, toy an’i Ethiopie sy Kenya, izay mahazo vola mitovy amin’ny ampahany lehibe amin’ny fanondranany. Ny vidin’ny famindrana vola dia mbola avo: 5,3% ho an’i Madagasikara, raha 7,2% ny salan’isa manerana an’i Afrika. Ny tanjona iraisam-pirenena anefa 3%, ka mbola lavitry ny kitay ny afo. Ny faritra Afrika Andrefana no manana vidiny ambany indrindra (4,9%), noho ny fampiasana ny franc CFA sy ny fivoaran’ny « mobile money ». Ankoatra ny fanohanana ny fianakaviana amin’ny fandaniana isan’andro, fanabeazana ary fitsaboana, asongadin’ny tatitra fa mety ho loharanon’ny fampiasam-bola ihany koa ny « transferts » raha misy rafitra ara-bola mazava sy mora idirana. Ny diaspora maneran-tany dia manana tahiry manodidina ny 500 miliara dolara isan-taona, saingy mbola voafetra ny rafitra ahafahan’izy ireo mampiasa izany amin’ny tetikasa ao an-tanindrazana. Loharano manan-danja ho an’ny toekarena sy ny fianakaviana ny famindrana vola hiditra ao amin’ny Firenena iray, saingy tsy azo soloina amin’ny fampiasam-bola ho an’ny daholobe na ny fanampiana ara-tsosialy. Ho an’i Madagasikara, ny vola miditra 406 tapitrisa dolara dia manamafy ny andraikitry ny diaspora amin’ny fanohanana ny toekarena sy ny fiainana andavanandro, kanefa azo lazaina ho tena hiviny mitaha ny firenen-kafa. Isan’ny mbola lesoka foana ny tsy fahampian’ny Firenena tsara tantana, ny tsy fahamarinan-toerana ho an’ny fampiasam-bola, ny kolikoly,… izay mila finiavana goavana.
Toky R
Niverina ofisialy omaly 15 septambra 2026