airtel

Actualités

16-sept-2026

News 24-7

Hametraka politika editorialy malalaka sy mahaleotena.

Sample post image

Niverina ofisialy omaly 15 septambra 2026

16-sept-2026

ny Vaovao 24-7 taorian’ny fiatoana volana vitsivitsy, saingy niova amin’ny endrika vaovao sy amin’ny anarana vaovao hoe News 24-7. Miara-misalahy amin'i Fanatontosana sy fanodinona ireo fandaharana sasany ny "Sary sy Feo" amin'ny alalan'i Tsiry Randrianatoandro. Ity sehatra vaovao ity izay mitondra fandaharana nohavaozina sy politika editorialy malalaka, mahaleotena, hifantoka amin’ny vaovao mazava, marina ary matotra, raha ny nambaran'i Johary Ravoajanahary mpanorina ny News 24-7. Ny tenany izay efa 40 taona eo no nisehatra tamin'ny tontolon'ny asa fanaovan-gazety, efa niasa tamin'ny gazety an-tsoratra, am-bava, televizionina, nanomboka tany amin'ny taona 80 tany ho any. Efa niasa tamin'ny haino aman-jery samihafa teto an-toerana na ny miankina na ny tsy miankina, ary efa "correspondant" ana haino aman-jery vahiny. Rehefa nitsahatra teo anivon'ny haino aman-jerim-panjakana, niaina tany anatin'ny tontolo "analogique" dia, dia niova taranja ho any amin'ny nomerika amin'ny alalan'ny Gazety an'habaka, raha ny filazany azy. "Ity no hoavy ary ity no lamaody" amin'izao fotoana vaninandro izao, ary azo refesina avy hatrany ny mpihaino sy manaraka raha tombatombana kosa ny an'ireo haino aman-jery mahazatra, fa tsy tena misy fandrefesana, raha ny fanehoan-keviny, hoy izy. Hiitatra tsikelikely amin’ireo sehatra nomerika hafa ny News 24-7, toy ny tranonkala, LinkedIn, X ary WhatsApp, ary hisy ampahany amin’ny vaovao havoaka amin’ny teny frantsay. Hotohizana ihany koa ireo fandaharana efa nahafantarana ny mpijery, toy ny Solanga, Tranga miafina, Miondam-boky, Salama e !Ho fanampin’izany dia hisy fandaharana vaovao antsoina hoe "Aiza izao" hiresahana ny momba ireo olona nanana ny naha izy azy teto amin'ny Firenena. Eo ihany koa ny Kronika na famakafakana ataon’i Johary Ravoajanahary, hitondrany hevitra sy fijery ary famakafakana lalina. Ny indro kely dia tsy maintsy mandany vola ny olona manaraka vaovao, indrindra fa ny vidéo, saingy ny rehetra dia andoavam-bola avokoa fa ny endriny no samihafa satria na ny radio sy ny tele aza dia mila vatoaratra sy herinaratra fa tsy misy bojy intsony izao rehefa manjifa vaovao. Ny zava-dehibe, hoy izy, dia miha mora ny saran'ny internet. Namafisiny fa tanjona ny hiezaka ny hametraka sehatra vaovao mahaleo tena sy matihanina toy ny any amin'ireo Firenena mandala ny demokrasia. "Tsy hanao izay hahafalifaly olona na hahatezitezitra olona fa rehefa vaovao dia vaovao", hoy i Johary Ravoajanahary. Ny ahiako fotsiny, hoy izy, dia ny hoe: ho zakan'ny fiarahamonina, ho zakan'ny Malagasy ve ny vaovao havoaka fa tsy hoe ho zakan'ny mpitondra na ho zakan'ny mpandraharaha ve ny vaovao avoaka ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-sept-2026

karaman’ireo depiote hamahana delestazy ! »

Card image cap
16-sept-2026

Mbola tsy mivaha tanteraka ireo

Card image cap
16-sept-2026

124 miliara dolara ho an’i Afrika, zara raha 406 tapitrisa dolara ny antsika

Card image cap