olana nanaovana fitakiana
Herintaona lasa izay, nijoro ny tanora haneho ny hetahetany ara-drariny amin'ny fisitrahana ireo tolotra fototra toy ny rano sy ny jiro ary ny hampiharana ny mangarahara amin'ny fitantanana ny raharaham-panjakana. Fotoana izao handinihana ny lalana efa nodiavina sy handrefesana ireo fandrosoana misy. Ho fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny Demokrasia omaly 15 Septambra no nikarakaran'ny ONG IVORARY ny adihevitra ho an'ny olom-pirenena izay nitondra ny lohateny hoe "Herintaona aty aoriana: voatahiry ve ireo fandrosoana ara-demokratika tamin'ny hetsiky ny Gen Z?". Tao anatin'ny lalan-tsaina mifototra amin'ny fifampiresahana no nikarakarana hetsika izay natao indrindra mba hanomezana sehatra ho an'ny tsirairay hahalala ireo fivoarana hita, hanao tombana ny ezaka vita hatramin'ny taon-dasa ary hifanakalo ny amin'ny fizotran'ny dingana manaraka. Sehatra ihany koa hanamafisana ny fiaraha-miasa misy eo amin'ny olom-pirenena sy ireo ambaratongam-pahefana amin'ny fametrahana fitantanana mangarahara, mahitsy sy mahomby. Isany fanehoan-kevitra nisongadina ary niraisan’ireo mpandray anjara ny fisian’ny fiovana amin’ny ampahany. Ny Fehin-kevitra rehetra voaangona dia ho aravona ho fitaovana entina manao ady sisika eny anivon’ireo mpanapa-kevitra hoy Atoa MAHAJARISOA Andrianarimanana, tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny ONG IVORARY. Marihana fa ny andro iraisam-pirenena ho an’ny demokrasia dia fotoana hampahatsiahivana ny maha zava-dehibe ny fitandroana ireo fandrosoana ara-demokratika anatin’ny tany tan-dalàna sy ny anjara toeran’ny andrim-panjakana amin’ny fitandroana izany.
LALAINA RAV
124 miliara dolara ho an’i Afrika, zara raha 406 tapitrisa dolara ny antsika
Niverina ofisialy omaly 15 septambra 2026