airtel

Actualités

22-juil-2026

Asa fanaovan-gazety

Nodimandry i Alphe Léon

Sample post image

Misaona sy very olomanga ny

22-juil-2026

tontolon’ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara. Nodimandry omaly talata 21 jolay 2026 ny namana mpanao gazety Alphe Léon. Tsy vaovao amin’ny mpanara-baovao Malagasy ny anarany sy ny feony satria tao anatin’ny 20 taona no nanolorany ny tenany ho an’ny asa fanavaovan-gazety sy ny tontolon’ny serasera. Narary sy notsaboina tamin’ny hopitaly iray nandritra ny iray volana izy, saingy tsy tana ny ainy, raha ny ambangavangony mikasika izao fahalasany izao. Mpanao gazety isan’ny fanta-daza, indrindra fa tamin’ny lafiny fahitalavitra sy ny radio, ka ny Record Madagascar no nahalalan’ny besinimaro azy, izy rahateo no tonian-dahatsoratr’io haino aman-jery io. Nangina mandrakizay ny feo sy ny dian-peniny, saingy mipetraka ho rakitra sy lova eo amin’ny tontolon’ny fanaovan-gazety izany, ho tsaroan’ireo mpiara-miasa taminy ny fahaizany, ny fahavononany, ny finiavany, ary ny fitiavany ity asa ity. « Torotoro ny fo. Very namana, very fianakaviana, very solon-dRay izahay fianakaviamben'ny Record Madagascar. Anisany olona voalohany niaraka tamin'ny Record Madagascar i Alphe Léon. Miara-ory tanteraka amin'ny fianakaviana ny Record Madagascar », hoy ny teo anivon’ny Vondrona Record manoloana ny fahalasany. Maneho fiaraha-miory sy mirary fiononana ho an’ny fianankaviany manontolo, ny mpiara-miasa aminy, ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety isika eto amin’ny Tia Tanindrazana.
Toky R

 

Dans la même rubrique