airtel

Actualités

22-juil-2026

Sekretera jeneralin’ny FJKM

«Mitaiza ny fiangonana fa ny fahamarinana tena safidy!»

Sample post image

Mpitandrina miisa 119 no

22-juil-2026

havoakan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara na FJKM, etsy Antsahamanitra, ny alahady izao, hoy ny Sekretera jeneralin’ny foibe FJKM, Rakotonirainy Jaona, Mpitandrina. Nianatra nandritry ny 5 taona mihitsy ireo, hoy izy, ary hirahina hiasa any amin’ireo sinaodam-paritàny miisa 37 eto amin’ny firenena. 59 eo kosa ireo mpampianatra nahavita fiofanana tamin’ny toeram-panomanana mpampianatra sy mpitandrina izay hirahina ihany koa. Miisa 39 moa ireo sinaodam-paritany eo anivon’ny FJKM fa any am-pitan-dranomasina, izany hoe, Eoropa sy Etazonia ny 2 ambiny. Volana septambra ireo dia efa mamonjy ny sinaodam-paritany hiasàny avy. Miantso ny olona hibebaka, hitory filazàntsara no anjaran’ny fiangonana. Tsy ny olona rehetra anaty fiangonana no miaina tsy fahamarinana. Tena mitaiza ny fiangonana saingy safidin’ny olona ny manapa-kevitra hoe hanaraka ny tenin’Andriamanitra sa hanao ny fanaon’izao tontolo izao ihany. Antso amin’ny fibebahana, fahamarinana, fanantenana no antso atao amin’ny rehetra ary ny fahantrana tsy azo andrefesana ny tsy finoan’ny olona. Misy lalana hitondràn’Andriamanitra antsika koa hifikirana mafy aminy. Misy olona manan-karena fa mety manadino an’Andriamanitra ary tsy entina ilazàna izany akory hoe ilaina ny fahantrana fa ny fiangonana aza tena miezaka manala ny olona anaty fahantràna amin’ny endriny rehetra. Na fahantrana ara-tsaina io na ara-panahy ary izay no mahatonga ny fiangonana mitondra fanintsiana am-pitiavana sy am-pahintsiana amin’ny tomponandraikitra tokony hiantefàn’izany. Tsy mahagaga raha enjehin’ny olona ny fiangonana satria sahy miteny am-pahamarinana sy mahintsy. Afaka mandeha amin’ny fahamarinana isika, mitantana ny harena voajanahary sy nomen’Andriamanitra antsika am-pahamarinana, afaka miala mihitsy amin’ny hoe kolikoly. Izaho izao, manao kopia eto Antananarivo renivohitra, no 15 andro vao azo. Afaka 15 andro aho hoy aho mantsy an’ilay olona tonga eo. Ny fiangonana dia mampianatra fitiavana, fihavanana, fihavanana amin’Andriamanitra sy amin’ny samy malagasy mba tsy hifampitsaratsara sy hifampizarazara. Mitaiza ny fiangonana fa ny fahamarinana tena safidy, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

22-juil-2026

Mihazakazaka, ary tsy mihemotra

Card image cap
22-juil-2026

Misaona sy very olomanga ny

Card image cap
21-juil-2026

Nandray fanapahan-kevitra ny

Card image cap