manonofy fahombiazana, maniry fandrosoana tena izy fa tsy sarintsariny sy fahafinaretan’ny maso fotsiny. Tsy vitan’ny nofy atoandro ny fanatrarana tanjona, tsy vitan’ny aingam-panahy taitaitra tsy misy drafitra sy paikady hoenti-manatanteraka. Tsy misy fahombiazana mandeha ho azy ! Ny fikirizana, ny fiaraha-miasa, ary ny finoana no antoky ny fandrosoana maharitra. Ny Barean’i Madagasikara nandritra ny CHAN 2025 dia porofo mivaingana. Ekena fa tsy azo ny amboara tamin’ity, saingy dingana goavana no vita, nanoratra tantara tsy nisy tao anatin’ny 60 taona, hany ka azony tsy nila nanambitamby tamin’ny vatsy tsinjo na tosika fameno ny fon’ny Malagasy, fa tena mandeha tsy voizina amin’ny fanohanana sy fankasitrahana satria haverina foana ny hoe : hain’ny olona ny manavaka ny tena mamim-bahoaka sy ny misora-tena ho mamim-bahoaka sy manao domy tapany handoa erany ? Lesona goavana ireny hoe : afaka mahavita zavatra lehibe ny Malagasy, rehefa misy fanomanana, fanoloran-tena, ary firaisankina. Tsy nisy olona nosokajiana ho « héro » manokana, toy ny amin’ny politika hankalazana olona iray ho toy ny andriamanitra kely, fa ekipa iray nifanohana, nifanampy, nifanome hery. Nampiseho fa izy ireo fa ny fahaiza-manao Malagasy dia afaka miatrika ny sehatra iraisam-pirenena, raha omena sehatra, tohana, atokisana,... Nampahatsiahy antsika fa ny fandrosoana dia vokatry ny ezaka mitambatra, fa tsy vokatry ny kabary sy fanamby fotsiny na sanatria revin-gadran’olon-tokana. Raha ny Barea no afaka nanao izany, dia afaka koa ny tanora amin’ny sehatra hafa: siansa, zavakanto, fanabeazana, teknolojia. Fa mila fampiraisana, mila fampiofanana, mila famporisihana, mila fifanohanana. Mila fanovana fomba fiasa, fanabeazana,… fa raha ny efa hita fa tsy mahomby no tohizana, dia any an-kady no hiafarana. Fahombiazana tsy mandeha ho azy, mila miara-dia vao mandresy fa tsy mandresy vao miara-dia ! Mila mino sy matoky ary miara-miasa, mifampatoky, mifanohana ny Malagasy !
Toky R