airtel

Edito

05-mai-2023

Edito

Ampangain’ny zava-misy

Sample post image

Anatin’ny volana vitsy tsy hahatongavan’ny fifidianana indray isika izao. Mandritra izany no misedra olana goavana miseho amin’ny samihafa ny Fanjakana,

05-mai-2023

ary tena miantraika amin’ny any anaty vilanin’ny vahoaka. Anisan’ny misongadina ny hoe: anaty krizy ara-bola, hany ka ny valalabemandry no tsy maintsy mizoga izany, raha tarafina amin’ny tsy fisiam-bola hivdianana solika hanodinana ny Jirama io. Fihariana maro no lasibatra. Bokan-trosa ny Fanjakana hany ka maro ireo mpandraharaha tsy voaloa vola toy ny mpikojakoja làlana, ny lalàm-pirenena potika tsy misy fikojakojana, izay tetikasam-pampandrosoana na programa lehibebe ilàna vola toa mikatso,… Ny mpiara-miombon’antoka sy ny mpamatsy vola efa mailo noho ny tsy fangaraharaharam-pitantanana, kolikoly, afera maloto,… Ny zava-doza dia ilay Malagasy tsy manan-tsiny no lasa voasazy sy mizaka ny ngidiny. Ezahina lalaovina sy dontoina amin’ny serasera fa izao no mety, efa miezaka ny fitondrana, tsy vita 5 taona ny fampandrosoana,… Mby aiza ilay vava be tamin’ny propangady fa tsy mila mpamatsy vola mahazatra fa mampahantra fa rehefa izy no tonga eo dia isika indray aza no hampindram-bola an’I Kaomoro? Mby aiza ny sandan’ny Ar tao anatin’ny 5 taona fotsiny mitaha ny vola Kaomorianina? Aiza ilay hoe: efa niomana, efa vonona ara-bola, ny hahatongavana eo no ela, ny tsy vita tao anatin’ny 60 taona atao 5 taona? Tsarain’ny karatra amin’ny nataony eny foana ny tsirairay, ary miharihary ny lainga manara-penitra sy ny famitahana ny Malagasy. Noho izany, mila banjinina ny ho avy, fa tsy maintsy todihana ihany koa ny lasa ahafahana maka lesona hanintsiana ny dia aoriana. Mila manaraka ny tantara sy ny raharaham-pirenena ny tsirairay mba tsy ho voafitaka sy hanaiky hohabadoina lava eto. Misy mantsy no toa minia mandiso na mikosoka tantara eto, minia jamba sy mikipy ka hafa no lazaina omaly, ary dia hafa no tenina sy miseho anio. Mihevitra mafy fa tena milomano tanteraka ao anatin’ny fahabadoana ny Malagasy ka hanaiky hatao tohatra fiakarana lava eto, hanaiky hohambakaina sy hadaladaina isaky ny fifidianana. Akaiky ny fifidianana, ka anjaran’ny rehetra no mandray lesona satria tena misy ny faly sy mipikelika manararaotra fa rehefa dobo ao anaty fahantrana ny maro an’isa dia azo rebirebena sy atao tohatra fiakarana lava eto, ary terena hanaiky fa izao no mety, efa mandeha ny ezaka, fa mila miharitra kely,... Efa tsy jamba intsony ny Malagasy izao!
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

hoy ny filohan’ny antoko politika MFM izay omaly. «Misy fetrany ihany ny fitondrana miorina

Card image cap
25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap