izao io fa mampikaikaika ny maro an’isa ilay toe-draharaha dia mbola namafisina ihany hoe mandeha araka ny tokony ho izy ary hoe afaka mifaninana amina firenena afrikanina maro mihitsy izany! Namafisina fa mariky ny fananan’ny fiarahamonina ao amin’ilay firenena harena ny fitohanan’ny fifamoivoizana aty an-drenivohitra sy ny fisiana mpiantsena any amin’ireo toeram-pivarotana lehibe na «grande surface», Antananarivo tokoa moai o hita miharihary io. Tsetsatsetsa tsy aritra, etsy ankilany no mampametra-panontaniana hoe any amin’ireo firenen-dehibe toy ireo firenena eoropeanina tokoa ve moa izany ireo sokajin’olona manao ahoana no mpiantsena any anatin’ireny atao hoe tsena lehibe na «grande surface» ireny? Moa ve tsy ireo sahirana sahirana ara-pivelomana no tena mameno ireny tsena ireny any? Anaty fonon-teny iny fa rehefa mijery ankapobeny ny fiainam-pirenena eto Madagasikara amin’izao fotoana izao amin’izay izany isika dia mbola lasa ihany ny saina manontany hoe diso ve izany ankehitriny ny nolazain’ilay filohan’ny HCC fahiny nanamafy ny fahefan’izao fitondràna izao ny taona 2018 hoe «Tsy Antananarivo irery akory no Madagasikara!» satria dia Antananarivo izao no fitohanan’ny fifamoivoizana tena mampikolay ny mponina sy ahitana betsaka izany mpiantsena anaty «grande surface» izany? Tsy ilaina atao mari-drefy ve izany ny fisian’ny Kere any atsimo na ny fahapotehan’ny lalam-pirenena maro ivelan’ny atao hoe renivohi-paritany? Niaraha-nahita koa ireny ny fisiana fonenana tsy zarizary mora ravan’ny andro ratsy tany amin’ireo faritra nandalovan’ny rivodoza, eny fa na dia mbola tsy nolalovany akory aza fa azo lazaina hoe nanamorina azy fotsiny. Tsy fahantran’ny firenena ve izany rehetra izany? Raha manankarena tokoa ary isika malagasy, maninona no tery dia tery ny fahafaha-maneho hevitra? Izao izany dia hoe 18 no isan’ireo nosamborina tany Vatomandry noho ny tsy fahafaliana tamin’ny resaka fifidianana. Ny fivoriana politika anaty trano aza lasa voarara sy sakanana. Firenena manana vahoaka milamina sy manankarena ve dia tokony hatahorana amina fihetsika madinidinika tahaka izany fa tsy tokony hahatsiarovan’ilay fitondràna mijoro hoe mari-toerana izy ka aleo fotsiny ireo hitabataba eo?
J. Mirija
eo amin’ny firenentsika. Tena misy eto famotehan’olona mivantana na ankolaka,