Samy mandrirotra amin’izay maha diavolana ny sainy. Tonga hatrany aminy firesahana foko sy fihaviana, izay toe-tsaina efa nilaozan’ny toetr’andro. Dia mandeha ny serasera samihafa, ezahana lalaovana amin’ny tambajotran-tserasera ny sain’ny olona,… Eny ambony ankaman’ny fesiboky no tadiavin’ny sasany hibaikoana sy handrindrana ny politika, fitantanana, fiainam-pirenena,… Noho ny tombotsoa, noho ny fiarovana ireo mpitondra teo aloha voasaringotra amin’ny dosie,… dia mandeha ny hoe : valifaty politika e, ankasomparana amin’ny mpanao politika manana fihaviana avy atsy na aroa,… Ekena ny lonilony politika, fa moa tena izany ve no hialokalofana hoe antsojay sy setrasetra politika. Dia tena sahy hiteny ve ireo mpitondra teo aloha fa madio tanana sy nitantana an-tsakany sy an-davany, fa tsy nangalatra sy nanodinkodim-bola, tsy nanao kolilony, tsy nanao tantely afa-drakotra ny firenena. Mbola ho tahaka izao ve isika raha tena nisy ny Fanjakana tsara tantana fa tsy tavan’olom-bitsy ny harem-pirenena ? Lesona ho an’ny mpitondra nangalatra sy nambotry izao, na ho an’ny teo aloha, na ny ankehitriny, na ny ho avy… fa tsy mba tena handeha mahitsy fa tsy hanao fanjakan-jiolahy eto ka rehefa tapitra ny 99 andro ho an’ny tsy fanjariana, dia fa tsy hitanisa sy hialokaloka lava amin’ny fivoizana fa valifaty eto.
Toky R