airtel

Edito

26-janv-2026

ANDAO HANDROSO e !

An-dalana ny fanavaozana

Sample post image

ny firenena, misy ireo dingana

26-janv-2026

tsy maintsy arahana fa tsy azo atao maimaika io. Marina fa efa tena maika sy dodona hanana fiainana tsara sy mendrika kokoa ny Malagasy saingy tsy ho mora ny manarina ny firenena , raha ny zava-nitranga teto nanomboka ny taona 2009 ka hatramin’iny 2025 no jerena. Lasa zavatra fiainana mandeha ho azy ramalagasy ary niha nahazo vahana be ny aferafera sy zavatra kimaizimaizina.Bizina etsy , bizina eroa..nitombo isa be ireo miasa sy miaina ao anatin’ny sehatra tsy ara-dalàna.Ka inona moa fa dia manarapenitra tokoa ny fahalovana sy ny kolikoly teto amin’ny firenena. Tsy vita raha tahaka izao mandrakizay anefa ny fiainana, lasa didin’ny be sandry, tsy mba mahita rirany amin’ny zava-misy ireo antontonony ary vao miha rendrika ny tena sahirana. Izay no anton’ny fanovana sy fanavaozana, miainga any amin’ny asam-panjakana io, ka mandeha any amin’ny isan-tsehatra rehetra na ambony vohitra na any ambanivolo. Ny fomba fisainana mihitsy aloha no misy kitihina kely, hoy na dia eo aza ny fahasahiranana andao hanao zavatra madio, ara-dalàna amin’izay. Tsara raha averina ary atao miparitaka amin’ny fomba rehetra manerana ny nosy mba ho hita sy ho ren’ny olompirenena tsy an-kanavaka ny fanabeazana ho olompirenena vanona.Mila mahafantatra ny zo aman’andraikiny ny tsirairay, mahafantatra ny tokony atao, ny tsy maintsy ataony sy ny tsy azony atao. Mila mahatsapa hoe tsy miaina ireny fa ao anaty fiarahamonina ary mila mitondra ny anjara birikiny eo amin’izany farahana monina izany.Io mivoatra no lasa hery lehibe ho an’ny firenena. Tsotra ny paikady raha te handroso dia ny asa, fifanomezan-tanana, fifanabeazana, fifanampiana.
RTT
 

Dans la même rubrique

06-mars-2026

Nahazatra sy nahaliana izany

Card image cap
05-mars-2026

Hatrany am-piandohan’ny

Card image cap